♦ Praiminisitra Ntsay Christian: hiatrika ny Antenimiera mpanao lalàna, hampahafantatra ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana, na ny PGE, anio sy amin'ny alatsinainy ho avy izao... ♦ Mijanona ho 20% ny hetra alaina amin'ny ampahan'ny karama farany ambony. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ihany no mametra ny fiakaran'ireo karazan-ketra misy eto amin'ny firenena, hoy ny Foibe-pitondrana ankapoben'ny hetra... ♦ Orinasa JIRAMA: misy indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny eto Antananarivo sy ny manodidina, noho ny fihenan'ny tosiky ny rano anatin'ny vanim-potoana main-tany...

[audio src="/images/sounds/jma-20240809.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...