♦ Mpikambana avy amin'ny AFAFI/FET miisa 7.198 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika sy ny Fihaonambe Nasiônaly, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Miisa 15.000 kosa ireo mpizaika avy amin'ny Diôsezy isan-tsokajiny, ho tonga hanatrika ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Feno 25 taona katroka ny Diôsezin'Ambositra. Ankalazaina amin'ny fomba manetriketrika izany, nanomboka androany... ♦ Nanavao ny antsony ny Papa François tamin'ny famaranana ny Audience générale tao amin'ny Efitrano Paul VI, tamin'ny alarobia teo...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...