♦ Ho fantatra anio izay handrombaka ny fandresena amin'ny andiany fahatelo amin'ny fifaninanana fomokarana horonan-tsary fohy, natokana ho an'ny tanora, izay karakarain'ny fikambanana Salezianina Don Bosco. Horonan-tsary 3 amin'ireo 120 tafakatra amin'ny famaranana, any New York, no novokarin'ny tanora Malagasy... ♦ Porofon'ny tsy fananan'ny fitondrana pôlitika matotra, ny olan'ny rano sy jiro izay iainan'ny mponin'Antananarivo ankehitriny, hoy ny antoko Humaniste écologique... ♦ Miovaova ny fahazotoan'ny ray aman-dreny mampanao vakisiny ny zanany ao Antsirabe...
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 7-9)
Izao no lazain’ny Tompo:
Mihobia an-kafaliana ny amin’i Jakôba,
manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay lohan’ny firenena;
ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe:
Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely!
Indro Aho mamerina azy, avy any amin’ny tany avaratra;
manangona azy, avy any amin’ny faran’ny tany.
Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa,
ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza;
hanao dia be izy ireo no hiverina aty.
Hiverina amin-dranomaso izy;
ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina;
eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy,
amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy;
satria efa ray ho an’i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraîma.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 125, 1-2ab. 2d-3. 4-5. 6
Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!
Ireo firenena kosa nitakoritsika:
“Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!”
Lalina tokoa ny nataony taminay:
koa akory izany hafalianay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.
Eny, tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 5, 1-6)
Ry kristianina havana,
rehefa mety ho Mpisorombe ka alaina amin’ny olona,
dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra,
mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota;
sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy,
satria na ny tenany aza mba voan’ny fahalemena ihany koa,
ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany,
toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.
Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany,
afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry i Aarôna ihany.
Dia toy izany koa i Kristy,
fa tsy Izy no nanandra-Tena ho Mpisorombe, fa Ilay nanao taminy hoe:
“Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany”;
sy nilaza amin’ny teny hafa koa hoe:
“Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany, dia tonga tao Jerikô,
ary nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izany, dia rafitra niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”.
Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:
“Ry zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”.
Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe:
“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao”.
Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Dia hoy ilay jamba:
“Rabony ô, aoka mba hahiratra aho”.
Ary hoy i Jesoa:
“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao”.
Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
26 ôktôbra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)
25 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)
24 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)
23 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)
22 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)
21 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)
20 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 35-45)
Ny 22, 23, 24 oktobre ho avy izao ny fikaonandoha mikasika ny VIH/SIDA eto amin’ny ranomasimbe Indiana., fotoana iray izay hafahantsika eto Madagasikara hisitraka ireo tolotra maro toy ny fizahana ara-pahasalamana maimaipoana : VIH/SIDA, fijerena sokajin-drà, homamiadan’ny vozon'ny tranon-jaza sy nono. Isaky ny 4 taona no mandray izany hetsika izany ny eto madagasikara ka ity indray mitoraka ity dia hanatrika izany ireo tompon'andraikitra iraisam-pirenena toy ny avy amin’ny ONUSIDA, fond mondial mba ahafahana manao adisisika hampitomboana ny vola antokana amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
♦ Nisantatra ny fivoriana mikaton-trano niainga tamin'ny fampiantsoana nataon'ireo Solombavam-bahoaka ny Minisitry ny Vola sy ny Toekarena... ♦ Malalaka ho an'ireo tambajotra matanjaka ary iraisam-pirenena izay manondrana ny harena voajanahary eto Madagasikara ny kolikoly... ♦ Mikatona vonjimaika ho an'ny sambo mpitondra mpandeha avy any Comores ny sisin-tanin'i Madagasikara, noho ny valanaretina Choléra...
Ny karazana fihetseham-po dia mety ho lasa vavaka, toy ny hoe fiderana, fangatahana tsotra, fifonanana ary mety ho fisaorana. Ny vavaka dia safidim-po, resaka tsy amin-taotra hifanaovana amin'Andriamanitra, hiresahana ny fiainana manontolo aminy. Ny vavaka atao miaraka amin'i Jesoa dia manaporo ny fifandraisana marina eo amintsika olombelona sy ny Fanahy Masina sy ny Ray Mpahary... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco