♦ Nikaton-trano nandritra ny ora roa teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka sy ny Minisitry ny Fitantanam-bola... ♦ Nandray fepetra ny fitondrana hisorohana ny fahatongavan'ny "Choléra" eto Madagasikara. Nakatona ny sisin-tany amin'ny fitaterana an-dranomasina avy atsy Comores... ♦ Mamela malalaka ny fanondranana ny harem-pirenena ny kolikoly. Noresahana ny paikady iadiana amin'izany, nandritra ny atrik'asa niantsoana ireo mpisehatra amin'ny harena voajanahary...

♦ Niatrika fivoriana nikaton-trano teny Tsimbazaza ny maraina teo ireo solombavambahoaka sy ny ministry ny vola sy ny toe-karena, lahadinika teo amin'izy ireo ny momba ireo tombontsoa sy tambi-karaman'ny solombavambahoaka tsy voaloa... ♦ Tsy manana fahaiza-manao ny 85% amin'ny mpampianatra eto Madagasikara, 70% ny mpanabe no mpampianatra FRAM avokoa, hiompana amin'ny fampiofanana ny tanora manomboka izao ny Génération Mada... ♦ Simba tsy mamaly ny filàna misy ny ankamaroan'ireo foto-drafitr'asa ho an'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa, torak'izany koa ny fandaharam-pianarana sasany, isany noresahan'ny ministera tamin'ireo mpiara-miombon'antoka taminy ireo...

Ny olom-pirenena vanona dia manana hambom-po amin'ny fitiavana ny tanindrazana, ary mirehareha amin'ny maha malagasy. Manana adidy sy andraikitra amin'ny fanabeazana, ny olona misehatra amin'ny haino vaky jery satria izy ireo dia manana anjara amin'ny famolavolana ny toe-tsaina. Hery fahaefatra lehibe ho an'ny firenena iray ny fitaovana sy ny serasera. Adidin'ny haino vaky jery ny manentana ny olom-pirenena handeha hifidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nitondra fanazavana momba ilay fangatahana didim-pitsaràna hafahana misoratra anatin'ny lisitry ny mpifidy na ilay antsoina hoe "ordonnance" ny mpampakatenin'ny CENI Soava Andriamarotafika... ♦ Hihatra ny fepetra vonjimaika mba hisorohana ny fanakanana ireo mpanao gazety mandrakotra vaovao eny amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena, mila mitondra ny karatra maha mpanao gazety matianina na karatra avy amin'ny orinasa hiasany ny mpanao gazety... ♦ Tra-tehaky ny polisim-pirenena tany Sambava ny lehilahy iray 34 taona mpisoloky amin'ny resaka fandefasana olona hiasa any Canada, an-jatony no efa voasolokiny ary vola hatrany amin'ny 200 tapitrisa ariary no efa lasany...

Ny fandinihana masina dia fiverenana amin'ny zavatra hita nandritra ny vakiteny, fandalinana lalina kokoa hahazo ny lahatsoratra. Fandinihana hidirana lalina kokoa amin'ny fahafantarana an'i Jesoa ihany koa ity voalaza ity. Manampy amin'ny fandinihana masina ny fametrahana fanontaniana amin'ny tena ; ohatra : inona no ambarany amiko...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

♦ Mbola mafana ny tranga fakana an-keriny any amin'ny Distrika'i Tsaratanàna. Manao antso amin'ny fampitomboana isa ireo mpitandro ny filaminana, ny Solombavam-bahoka any an-toerana... ♦ Hihatra ny fepetra vonjy maika hisorohana ny fanakanana ireo mpanao gazety handrakotra vaovao eny amin'ny Antenimieram-pirenena, araka ny fihaonana mivantana teo amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena sy ny Filohan'ny OJM... ♦ Misy ireo ampahan-dàlana tapaka ao an-drenivohitra noho ny asa fanamboarana. Isan'izany ny eny Ankatso-Ambanidia sy eny amin'ny Vatobe 67Ha-Andohatapenaka...

♦ Namaly ny tsikera natao tamin'ny filohan'ny CENI ny tale kabinetrany. Diso fipetraka hoy Andriamatoa Fanahimanana Toaray ny tsikera natao tamin'ny nanatrehany ny lanonana fametrahana sambohady ho an'ny solombavambahoaka tany amin'ny Faritanin'Antsiranana... ♦ Nanomboka omaly ny hetsika vaksiny faobe manerana ny nosy. Ho an'ny kaominina Imerin'Imady Ambositra tsy misy intsony ny kitrotro noho ny fahazotoan'ny reny mitondra ny zanany atao vaksiny... ♦ Isan'ny resahana amin'ireo famelaberana ny voka-pikarohana samihafa mandritra ny fikaonandoha siantifika iraisam-pirenena tanterahana eny Ankatso ny antony mampahantra an'i Madagasikara, anefa firenena ambara fa manana harena voajanahary maro...

Ny fanaraha-maso ataon'ny raiaman-dreny antoka iray mampahomby ny taom-pianaran' ny zanany. Ny raiaman-dreny dia isan'ireo mandrafitra ny telozoro-panabeazana ary manana andraikitra ankoatra mpianatra sy ny mpampianatra. Ny fanaraha-maso dia tokony hisy fanitsiana ireo tsy mety, toro-hevitra mahakasika fianaran'ny ankizy. Ny fiovana mety ho hita eo amin'ny ankizy iray dia ilana fanaraha-maso, mba hanampiana ny ankizy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Miatrika ny fivoriana ara-potoana faharoa amin'ity taona ity ny andrim-panjakàna mpanao lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra eto misy ankehitriny ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Nanipy resaka tamin'ny mpirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna kosa ny filohan'ny antenimieran-doholona... ♦ Resahana mandritra ny fikaonandoha siantifika iraisam-pirenena eny amin'ny sekoly ambony momba ny siansa ho an'ny fambolena eny amin'ny oniversiten'Antananarivo ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana. Fikaonandoha telo andro hatramin'ny rahampitso... ♦ Nahazo fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fonja vaovao ny distrikan'Antananarivo Avaradrano...

Amin'ny fotoana ny vavaka dia ilaina ny fahanginana, tokony ho tony tanteraka ny fo sy ny vatana, ny fifantohan'ny saina. Mba ahazoana tsara ny Tenin'Andriamanitra dia atao amim-pitandremana ny famakiana azy, azo atao ny mandray an-tsoratra na fanamarihana manandrify ireo teny manaitra...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoanan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra misy eto ankehitriny ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Resahana mandritra ny fikaonan-doha siantifika iraisam-pirenena, eny amin'ny Sekoly Ambony momba Siansa ara-pambolena eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana... ♦ Mbola sakana ho an'ny vehivavy tantsaha eto amintsika amin'ny asa fampandrosoana sahaniny, ny kolontsaina misy any aminy...

♦ Nosokafana ny antoandro teo ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Noresahin'ny filohany ny vahaolan'ny fitondràna amin'ny olan'ny jiro sy rano ankehitriny... ♦ Mety hampidirina anatin'ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 ny fampiakarana ny hetra alaina amin'ny karama na ny IRSA. Anisan'ireo miahiahy izany ny Randrana Sendikaly... ♦ Nahatrarana solika voatapoka maherin'ny 7.000 litatra indray tany Toamasina. Olona 18 no voarohirohy, nosamborina tamin'izao raharaha izao... ♦ Niharan'ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny tafika ny tsena iray any Khartoun. Olona 23 no namoy ny ainy, maherin'ny 4 ireo naratra vokatr'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...