Izao no nambaran’i Joany Batista raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: “Iza moa ianao ?” Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe : “Tsy i Kristy aho.” Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: “Iza àry ? i Elia va ianao ?” Fa hoy izy. “Tsy izy aho.” Dia hoy ireo : “Ilay mpaminany va ianao ?” Fa hoy ny navaliny ; “Tsia.” Ka hoy izy ireo taminy. “Iza àry ianao, mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao ?” Dia hoy izy. “Izaho no feon’ny miantso any an’efitra hoe : Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.” Ary Farisianina ireo iraka ireo. Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe : “Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy ? na i Elia, na ilay Mpaminany ?” Ka novalian’i Joany hoe : “Izaho manao batemy amin’ny rano ; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, dia ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehinkapany aza aho.”
Tany Betania an-dafin’i Jordany izay nanaovan’i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.
Tamin’izany andro izany, dia nandeha haingana nankany Betilehema ny mpiandry ondry ka nahita an’i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely mandry amin’ny fihinanam-bilona ; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy ; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an’Andriamanitra noho ny zavatra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. Ary rehefa afaka ny havaloan’andro ka hoforàna ny Zaza dia natao hoe Jesoa no Anarany araka ilay nataon’ny Anjely fony tsy mbola notorontoronina tao an-kibo Izy.
Alahady 3 janoary 2021 — Ny nisehoan'ny Tompo na Epifania — Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 1-12
27 desambra — Zanak'i Zébédée i Jean araka ny filazan'i Masindahy Matio sy i Marka ary i Lioka, ao amin'ny Evanjely. Mpanarato tao amin'ny farihin'i Tibériade izy, ary mpianatr'i Jean-Baptiste taloha, avy eo nanara-dia an'i Jesoa, Ilay Mpamianatra tiany.
Sabotsy 02 janoary 2021 — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany ; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 19-28
Zoma 01 janoary 2021 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21
31 desambra 2020 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18
26 desambra — I Masindahy Étienne dia iray amin'ireo diakra fito nofidian'ny Apôstôly, mba hanampy azy ireo tamin'ny asa fanirahana sy ny fitoriana natony. Ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly toko fahenina sy fahafito no ahitantsika ny tantaram-piainany amin'ny antsipiriany, amin'izany iraka nataony izany, na ny nifidianana azy ho diakra, na ny nisamborana azy.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri. Nanolotra firarian-tsoa ho an’ny vahoaka Malagasy i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Solotenan’ny Ray masina eto Madagasikara, amin’izao Noely izao.
25 desambra — Ankalazaina amin'ity andro ity ny nahaterahan'i Jesoa, Ilay Zanak'Andriamanitra, Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Evanjelin'ny Masindahy Matio sy Lioka no mitantara io fahaterahan'ny Tompo io. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia i Maria, zanak'i Anne sy i Joachim avy ao Nazareth sy Galilée no renin'i Jesoa. Ary i Joseph, taranak'i Davida no nitaiza azy. Fofombadin'i Maria i Joseph.
Alarobia 30 desambra 2020 — Andro fahenina amin'ny havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany ; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco