Zoma 01 janoary 2021 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21

0 : 00

Misantatra ity taona vaovao ity isika rehetra, faly misaotra an’Andriamanitra sy mifampirary soa ary maka fikasana tsara hivoaran’ny fiainana manontolo. Fa mankalaza ihany koa an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra, ilay reny nanome antsika olombelona ny Mpamonjy mitondra fiadanana.

Tantarain’i Masindahy Lioka tamintsika teo ny fahitan’ny mpiandry ondry an’i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely mandry amin’ny fihinanam-bilona, ilay fianakaviana nofidin’Andriamanitra, nanankinany ny Zanany, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. I Josefa, ilay ray nofidin’Andriamanitra ho mpitaiza ny Zanany ; Maria, ilay reny niteraka ny Zanak’Andriamanitra. Niharihary tamin’ny fitiavana sy fandraisan’izy mivady ireto an’i Jesoa Zanany, ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona, toy ny reny mamomba ny zanany no itiavan’Andriamanitra antsika. Toa izany koa : ny fanatanterahantsika ny adidy manoloana ny hafa no isehoan’ny fitiavan’Andriamanitra ny tsirairay. Nanome ohatra ho antsika i Masindahy Josefa sy i Masina Maria tamin’ny fikarakarana ny Zanak’Andriamanitra, ilay nahazoan’izao tontolo izao fiadanana. Fa sady mpanorina ny fiadanana marina isika rehetra no miara-migoka koa. Samia miezaka hanao ho zava-dehibe ny hafa, hanasoa azy mba hanorenana tontolo vaovao ; fa izany no entin’ilay Mpamonjy vao teraka.

Hihavao araka ny taona anie ny fo sy ny saina ary ny fanahintsika rehetra. Tsy haniry ny soa sy ny tsara fotsiny fa hifanampy sy ho mpandray anjara mavitrika hanorina ny fanjakan’ny fiadanana.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...