31 desambra 2020 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18
Nambaran’i Masindahy Joany tamintsika teo fa tanteraka sy miharihary ary tonga hita maso ao amin’i Jesoa Kristy, Teny tonga nofo, ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra an’izao tontolo izao. I Jesoa Kristy Ilay Teny mandrakizay, nahariana izao rehetra izao ary fiainana sy fahazavan’ny olona. Amin’ny alalan’ny Zanany, ilay Teny tonga nofo tao an-kibon’i Maria, Andriamanitra no miantso ny olombelona hiala amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana, handray sy hiaina ireo fahasoavana, mampandray anjara antsika hoe ny toetra sy ny fomba maha Andriamanitra azy, hahamasina antsika toa Azy Andriamanitra. Miharihary indrindra izany amin’izao fankalazana ny Noely izao. Nanaiky ho tonga olombelona Andriamanitra, mba hitarika antsika olombelona ho amin’ny fiainam-baovao miaraka aminy. Meteza hanaraka Azy.