Tsy zaza na ankizy intsony ny tanora fa efa manomboka mandray andraikitra maro isan-karazany, ka mirotsaka miaraka amin'ireo olon-dehibe amin'ny fampandrosoana. Ny fahaiza-manao hananan'ny tanora dia tokony koloana tsara, tsy mety anefa ny mandeha irery fa ilaina hatrany ny mifanampy sy mifanohana na amin'ny samy tanora na amin'ny sokajin'olon-kafa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Hivory tsy ara-potoana manomboka rahampitso ireo parlemantera eto Madagasikara... ♦ Ho fampitovian-jo ny malagasy rehetra manerana ny nosy, amin'ny fampisitrahana fahasalamana ny vahoaka tsy an-kanavaka, CSB manara-penitra miisa 190 no ho vita hatramin' ny faran'ity taona 2021 ity... ♦ Ahiana ny mbola mety hahàritra ny loharano amin'ny faritra maro eto Madagasikara amin'ny fotoanan'ny main-tany amin'ity taona ity , raha tsoa ka tsy milatsaka amin'ny volana novambra ny orana...
Ilaina ny fandraisana andraikitra sy ny firotsahana ka entanina ny tanora mba tsy hanana toetra miandry mahazo. Ilaina ny mifanampy eo amin'ny fiainana raha tiana ny hahomby. Ny talenta dia fahaiza-manao ka isan'ireny ny fanehoana ny zava-kanto isan-karazany toy ny tantara antsehatra, ny hoso-doko, ny mozika isan-karazany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny finamanana sy ny fifangaroana anatin'ny vondrona, misy rafitra tsara na ivelany, matetika, dia manampy hanamafy ny fahaizana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana amin'ny tontolo misy. Tsy mandefa antsika irery Andriamanitra rehefa maniraka antsika noho izany tsy mety ny manilika ny hafa, natao ifameno isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Izay mahakolokolo manana ny soa, hoy ny fiteny. Raha te hahira-tsaina dia tsara raha tia karokaroka ny tanora mba tsy ho arafesina ny saina ary mba hanitaram-pahalalana. Hampandrosoana ny pastoralin'ny tanora dia omena lanja ireto roa ireto hoy ny Papa Fransoa : Fikarohana sy fitomboana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Isaky ny 28 jolay no fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny "hépatite", tamin'ity taona ity ny loha-hevitra dia hoe : tsy afaka miandry ny aretin'aty. Ny OMS Afrika kosa dia nisafidy ny hoe : tsy afaka miandry i Afrika mikasika ny aretin'aty, satria ny iray amin'ny efatra amin'ny olona mararin'ny "hépatite" dia avy aty afrika daholo. Ny "hépatite" dia fahararian'ny aty vokatry ny fanafihan'ny tsimokaretina ny aty na vokatry ny fandraisana alikaola, fanapoizinana. Misy karazany dimy ny "hépatite" dia A-B-C-D-E...
♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly izay notanterahan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tany amin'ny distrika Ambinanindrano. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay, hoy ny Kardinaly, nanafatrafatra nandritra izao fitsidihana izao... ♦ Hotontosaina ao Analavoka ny fankalazana ny fetin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay hotanterahina ny 6 hatramin'ny 9 aogositra ho avy izao, ho an'ny Diôsezin'Ihosy... ♦ Ny Eglizy, ny fanavaozana ary ny Evanjely, ireo teny telo ireo no fitalahoana hanentanan'ny Ray masina antsika, amin'io vola aogositra ho avy io...
♦ Tsy voahaja ny zon'ireo olona henoina, amin'ny raharaha fikasana hifofo ny ain'ny Filoha, hoy ny mpiaro ny zon'olombelona... ♦ Nampatsiahy ny andraikitry ny Foloalindahy amin'ny fikatsahana ny filaminana sy ny fampandrosoana ny firenena, androany, ny Filohan'ny Repoblika, sady filoha faratampon'ny Foloalindahy... ♦ Nandray fanapahan-kevitra maika amin'ny fanitarana ny hamehana ara-pahasalamana ny any Japon, vokatry ny firongatry ny Coronavirus...
Sabotsy 7 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 14-20
Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: "Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy; mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. Nentiko tamin’ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo." Ary namaly i Jesoa nanao hoe: "Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandrapahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy." Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy. Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: "Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?" Hoy i Jesoa taminy: "Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo, ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: ‘Mifindrà erý ianareo’, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao."
Zoma 6 aogositra 2021 — Fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 2-10
Alakamisy 5 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-23
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco