Sabotsy 7 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 14-20
Akaiky antsika ny Andriamanitsika ka azo atonina fa tsy sanatria Andriamanitra lavitra, tsy taka-maso any akory. Eto izao, nanatona an’i Jesoa ny lehilahy anankiray, nitalaho fanasitranana ho an’ny zanany lahy mararin’ny androbe fa mijaly mafy loatra. Fihetsika iray azo atao rehefa manatona Azy ny mandohalika, ka nandohalika teo anatrehany izy ; midika fanetren-tena izany, miaiky ho ambany noho ilay angatahina, fa tsy entin’ny fo miavona ka ny mpangataka indray no midingin-drambo. Isika mantsy tsy ho ambony noho Andriamanitra izany, fa Izy no avo sy fanaperana indrindra. Asakasak’izay miavonavona ny amin’izany. Tsy amin’ny fihetsika ihany no anehoana izany fanetren-tena izany, fa na ny teny atao koa aza. Toy izao no nentin’ity rangahy ity nangataka tamin’ny Tompo : “Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy”. Ny teny soa sakafo fa ny teny henjana sady mankarary ny tena no manimba ny hafa. Hangataka koa ve dia mbola hivindavinda ihany, inona no valy ho azo amin’izany ? Koa ilaina ny mangataka amim-panetren-tena.
Toa an’ity lehilahy ity isika : rehefa voadona sy mijaly mafy, dia mirepirepy tsy mahita lalan-kombana, fanina aza. Soa fa teo i Jesoa, Ilay hany azo ianteherana, tsy manary amin’ny sarotra. Vonona mandrakariva hanolo-tanana, hamonjy, hanala antsika amin’ny geja amam-patopatotra rehetra. Ka na ireo tsy hain’olombelona sitranina aza, vitany mora foana. Eto izao : efa niala nenina, nentina tamin’ny mpianatra ity zanany mararin’ny androbe ka mijaly mafy loatra, fa tsy nahasitrana azy izy ireo. Diniho tsara ity geja hamatoran’ny Satana azy : matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. Afo sy rano tsy afa-miaraka mihitsy. Tena mandraingiraingy mihitsy izay azony. Hatramin’izao androntsika izao no mbola misy toy izany ka mila mivavaka mafy, aza omena hirika mihitsy ny Demony, aza mitoky amin’ny vato aman-kazo na zava-boary hafa, fa aleo ihany miantehitra tanteraka amin’Andramanitra. Tandremo voafitak’ireny fa be no milaza fa mahay izatsy sy zaroa kanefa toa fitaovana ampiasain’ny Demony hahamafy orina ny toerany amintsika aza. Izao koa no tsarovy : matoa nivoaka tamin’ilay zazalahy ny Demony dia i Kristy no ambony, Andriamanitra, Ilay hany Tsara tsy ho resin’ny ratsy, mpandrava sy mpamotika izany. Satria tsy misy ratsy ho tompon’ny teny farany izany.
Marihina fa tsy nahafahan’ny mpianatra nandroaka Demony ny tsy fahampian’ny finoany. Ny an’ny mpianatra aza moa tsy ampy toy izany ny finoana, fa ny antsika kosa mba manao ahoana ? Sao tsy niainana na nohalalinina fa natao an-joron-damba na koa mba nanana ihany fa nariana, na natao varo-mora ? Sao tsy narahin’asa akory, na koa ny an’ny razana fotsiny no tazonina fa tsy ny an’ny tena ? Ny tsirairay no mahalala ny finoany avy ka aza misolo vaika ny hakalana. Araka izany, ilaina ny mino sy ny mandalina ny finoana ary ny mikolokolo azy, mba tsy ho simba na ho very izy. Koa tsy ny hamindra tendrombohitra no mahamaika fa aoka ho ny fiainana io finoana io. Marefo mantsy ny finoana indraindray, indrindra rehefa mandalo sedra isika. Koa alao hery mandrakariva, mba ho finoana matotra sy mafy orina ny antsika ka tsy ho voahozongozon’ny rivo-mandalo. Amen.