Alakamisy 5 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-23

Matetika isika ao amin’ny Evanjely dia ny olona na ny vahoaka na ny farisianina na ny mpanora-dalàna na ny mpianany no manontany an’i Jesoa, fa eto kosa indray, dia Izy Jesoa mihitsy no manontany ny mpianany hoe : "Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?" Efa tamin’ny andron’ny mpaminany, na tamin’ny andron’i Ezekiela no marimarina kokoa no efa nampiasa ny fiteny hoe : "Zanak’olona" kanefa ampiharin’i Jesoa amin’ny Tenany. Izany mpaminany izany koa anefa no isan’ny nahafantaran’ny olona Azy, ho an’ny sasany moa dia ireo olo-malaza ao amin’ny Testamenta Taloha toa an’i Elia, sy i Jeremia, fa ao koa i Joany Batista. Fa amin’izao androntsika izao mbola mitombona tsara io fanontanian’i Jesoa tamin’ny mpianany io, ka miantefa amintsika mivantana koa hoe : "Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho ?" Ho ahy, ho anao, ho antsika izany fanontaniana izany, ka mila valiny avy amiko, avy aminao, avy amintsika. Mety samy manana ny avaliny azy ny tsirairay. Valiny tsy ianteherana amin’ny an’ny olona. Ny an’i Piera izao mazava eto : "Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona." Fa ny antsika kosa mba ahoana ? Solontenantsika izy namaly, fa mila ny antsika manokana ihany koa. Mbola mitovy amin’ny vao nianarantsika tany am-piandohana ve, sa efa mba nivoatra sy nihalalina, sa sanatria vao mainka aza nihemotra na foana mihitsy ? Raha tsy fantatra mantsy Izy, atao ahoana no hitia, hikaroka sy hanatona Azy ?

Nanorina ny Egliziny tamin’i Piera i Kristy fa tsy olon-kafa, na dia roa ambin’ny folo aza ny isan’ny Apostoly, na teo koa aza ny reniny. Midika koa izany fa tsy an’ny olona ny Eglizy fa an’i Kristy, mazava tsara ny teniny eto : "Egliziko" sy ny hoe : "vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy" Tsy nolazainy hoe tsy hisy ny afobe fa ny vavahadiny io voalaza io. Midika koa izany fa hisy ny sedra amin’ny Eglizy, hisy ny mafy fa tsy ny ratsy no handresy, na dia toa manjakazaka be aza ireny ankehitriny, miseho amin’ny fomba maro, fa tsy maintsy mandresy Izy Kristy. Fa vao mainka mahagaga ny mistery nanorenan’i Kristy ny Egliziny fa tsy ny ety an-tany ihany no voafehin’i Piera fa hatrany an-danitra koa : "Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra." Ary mbola mitohy ao amin’ny Eglizin’i Kristy izany mandraka ankehitriny.

Tsy i Piera ihany anefa no namborahany ny tsiambaratelony, fa ny mpianany rehetra, isan’izany isika ankehitriny. I Piera kosa nanaiky iasan’ny Satana ka niteniteny foana. Tandremo fa mitady hambabo ny rehetra i Satana ka mety ho maro no ho lavony raha tsy mitandrina. Aoka ho malina mandrakariva. Io fahefana io mantsy manodoka ka fakam-panahy lehibe. Ao ny tampotampoham-pahefana ka manjakazaka, manao kely tsy mba mamindro, manao didy jadona, didiko fehy lehibe, tsy mitsinjo ny madinika, manao vain-drahalahy tsy maharary. Miseho ho toy ny kilalaon’afo izy io ka manodoka ery sy maha te hanatona, kanefa mandoro avy hatrany raha vao milalao azy. Toa midika koa izany fa na ao amin’ny Eglizy aza mahavanon-doza rehefa manaiky ampiasain’i Satana. Ka aoka isika hihevitra araka an’Andriamanitra mandrakariva, fa asam-pinoana no atao fa tsy araka ny an’ny olona fotsiny. Amin’izay tsy ho azon’ny fakam-panahy. Ho lavitra antsika anie ny ho lavon’ny fakam-panahy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...