Tamin’izany andro izany, tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?" Ary hoy ireo: "Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?" Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: "Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra." Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona, fa Izy no Kristy. Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe: "Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!" Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry satana! manafintohina Ahy itý ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona."

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...