Zoma 6 aogositra 2021 — Fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 2-10

Mifanojo amin’ity zoma voalohany ity ny fankalazana an’i Jesoa niova tarehy tany an-tendrombohitra. Tsy misy kisendrasendra eo anatrehan’Andriamanitra fa efa voalahatra avokoa. Miseho mibaribary ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona tamin’ny nananganan’Andriamannitra Azy Kristy ho velona, ka nanokatra ny Fony hidanadana ho loharano tsy ritran’ny famindram-pony. Manamafy izany ny Tenin’Andriamanitra aroso ho antsika izao. Fisehoan’ny famindram-pony ny nifidianany ireto telo lahy tamin’ireo Apostoly roa ambin’ny folo, navahana manokana, dia i Piera sy i Jakôba ary i Joany, ka nalainy, nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray ka niova tarehy teo anatrehany Izy. Tsy nisy fialonana tamin’ireo hafa hoe : fa maninona izahay no tsy nentina. Matetika moa izy telo lahy ireo no voafantina manokana rehefa misy zavatra ataony. Tsy izy telo lahy no nisora-tena toa voatango, na nisososo toa vinanto tsy mahare fosa mba ho entina manokana fa safidy manokan’Izy Tompo.

Ny fiovana tarehin’Izy Tompo, toa tandindona sy fisantarana sahady ny fitsanganany ho velona. Manamafy izany ny fitafiany tonga nanjelanjelatra sady fotsy ohatra ny oram-panala, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etỳ an-tany, sy ny fandrarana azy telo lahy tsy hilazalaza aman’olona ny zavatra vao hitany, mandram-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty. Isika koa tamin’ny andron’ny batemintsika tonga fotsy mangatsakatsaka ka asehon’ny fitafiana nisalorantsika tamin’izany, ary tohizintsika ny misalotra fitafiana toy izany amin’ireo sakramenta irosoantsika ho raisina aty aoriana. Fa aoka tsy ho ny fitafiana ihany no toy izany fa ny fiainantsika manontolo mihitsy mba tsy ho azom-pentim-pahotana.

Ny fisehoan’i Elia sy i Môizy tamin’izy ireo, sady niresaka tamin’i Jesoa : dia manambara vavolombelona roa ka ny mpaminany, amin’ny alalan’i Elia sy ny lalàna, amin’ny alalan’i Moizy. Toa midika koa izany fa samy i Jesoa ihany no ambaran’ny Testamenta Taloha, na ny tao amin’ny lalàna na ny tao amin’ny mpaminany. Izy Jesoa no fara tenin’Andriamanitra amintsika olombelona. Tsy misy intsony aty aoriana. Fa manamafy fotsiny ihany izay nambaran’ny fisehoana rehetra aty aoriana. Izy no fiandohana sy ambara mazava ao amin’ny Testamenta Vaovao. Araka izany, miseho eto ny Baiboly manontolo. Ka tandremo sao voafitaka isika.

Tratran’ny fahavarianam-panahy ireto Apostoly ireto ka nahavaky volana an’i Piera hiteniteny foana. Tsy hoe ratsy fa tsy misy idirany mihitsy. Izany tokoa rehefa miray sy miombona tanteraka amin’Andriamanitra : mahita hasambarana tsy hita nonoa sady feno tanteraka. Hadino mihitsy ny tena. Moa ve tsy efa fisantarana sahady ny lanitra ity niainan’ireto Apostoly ireto ? Hoy i Piera tamin’izany : "Mahafinaritra ny mitoetra atỳ ; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia." Efa betsaka ny olona tratran’ny fahavarianam-panahy toy izany eo amin’ny tantaran’ny Eglizy. Tsy hoe nofy fa tena nitranga marina tokoa.

Fa ankoatra izany fisehoana izany, dia teo ny fanambaràna ampahibemaso hoe : Zanaka malalan’ny Ray indrindra i Jesoa. Mila mihaino Azy isika. Aza hadinoina fa mitovy amin’izany koa ny fahasoavana noraisintsika, tamintsika natao batemy, ka aza mandraraka ilo mby an-doha. Tsy hanary fahasoavana anie isika fa higoka izany tsy ankijanona eo amin’ny Fon’i Jesoa. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...