Tanterahina manomboka ny alatsinainy 8 jona ilay hetsika ara-barotra mandeha amin'ny tambazotra sosialy ao Vatican, antsoina hoe "We run together" na hoe "Hiara-hihazakazaka isika".
08 jona — Teraka ny 27 novambra 1838 tao amin’ny tanana kely atao hoe Montlogis tao Polminhac ao amin’ny Cantal tao Auvergne i Jacques Berthieu. Mpamboly sy mpiompy ny ray aman-dreniny izy no zokiny indrindra tamin’ireo fito mianadahy velona notaizan’izy mivady. Tao amin’ny seminera zandriny tao Pau izy no niantra talohan’ny niofanany ho pretra tao amin’ny seminera zokiny tao Saint-Flour.
07 jona — Tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha XI tany ho any i Gilbert no teraka tao Auvergne. Anisan’ireo mpanara-dia an'i Masindahy Norbert tao amin’ny fikambanana Ordre des Prémontrés moa izy. Miaramila mpitaingin-tsovaly tao amin’ny tafiky ny mpanjaka Louis VI i Gilbert ary nandray anjara ihany koa tamin’ny ady faharoa ho fanafahana ny Tany Masina ny 1147–1149, niaraka tamin’ny mpanjaka Louis VII.
Mifantoka amin'ny fitantarana ny hafatra nomen'ny Papa François ho an'ny mpikirakira ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona tamin'ity taona 2020 ity. Ankalazaina eto Madagasikara isaky ny alahadin'ny Trinite Masina ny fankalazana ny andro maneran-tany ho azy ireo ka mifandraika amin'io hafatry ny Ray masina io ny fanentanana entin'i Mgr Fulgence Rabemahafaly Arsevekan'i Fianarantsoa, Filohan'ny Vaomietan'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara.
06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.
05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.
Manameloka ny endri-panavakavahana rehetra ary nananatra ny mponina any Etazonia noho ny fisian’ny herisetra izay manimba ny rehetra i Papa François tamin’ny “Audience Générale” notanterahany tao amin’ny lapa apôstôlikan’i Vatican, omaly.
04 jona — Teraka tao Lyon tokony ho tamin’ny taona 447 i Clotilde. I Chilpéric II, mpanjakan’i Burgonde no rainy ary i Carétène kristianina no reniny. Nobeaziny tamin’ny hatsaram-panahy sy fanajana ny martiry tao Lyon i Clotilde indrindra fa ny fanajana an’i Masimbavy Blandine izany.
(03-06-2020) Hery ary zavadehibe eo amin'ny fiainan'ny olombelona ny fahatokisana.
03 jona — Tamin’ny fotoana mbola nanjakan’ny fanompoana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fihinana olona moa no tonga tao Ouganda i mompera Lourdel sy Ivinhac mba hitory ny Vaovao Mahafaly ary nonome azy ireo alalana malalaka ny mpanjaka Mudisha tamin’izany fotoana izany.
Nanolotra fiara mpitondra marary na "ambulance" iray ho an'ny Aumônerie Apostolique misahana ny olona sahirana ny Papa François, ny marainan'ny alahadin'ny pantekôty teo.
02 jona — Tovovavy nobaboina i Masimbavy Blandine, maty martiry tao Lyon tamin’ny fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’ny taona 177. Nahery fo tokoa ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nampijaliana azy. Maro ireo namany no tsy nahatanty ny fampijaliana ka niverin-dalana ary nihemotra tamin’ny finoana fa izy kosa dia sahy nijoro hatramin’ny farany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco