Manameloka ny endri-panavakavahana rehetra ary nananatra ny mponina any Etazonia noho ny fisian’ny herisetra izay manimba ny rehetra i Papa François tamin’ny “Audience Générale” notanterahany tao amin’ny lapa apôstôlikan’i Vatican, omaly.

Manahy ny ho vokatry ny herisetra izay miha mahazo vahana taorian’ny nahafaty an’i George Floyd, ny alatsinainy 25 mai teo, izy. Tsy azo ekena, hoy ny Papa, ary tsy azo hodian-tsy hita ny endri-panavahana sy fanilikilihana ka sahy hilaza fa masina ny ain’olombelona. Tsy misy zavatra azo amin’ny herisetra, hoy hatrany izy, fa vao maika fahavoazana aza no aterak’izany. Naneho ny fiombonam-pony amin’ny Eglizy ao Minneapolis sy Etazonia manontolo ny Papa manoloana izao herisetra izao ary nivavaka ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahin’i George Floyd sy ireo rehetra namoy ny ainy vokatry ny fanavakavahana. Nivavaka ho fankaherezana ny fianakavian’izy ireo koa sy ho an’ny fihavanam-pirenena hisian’ny fiadanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...