06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.

Ny taona 1115 raha niazo an’i Vreden tao Westphalie i Norbert dia nitaingin-tsovaly niaraka tamin’ny olona iray mpikarakara io sovaly io. Nisy rovitro nifofo sy varatra nipoaka tampoka, ary henony nisy feo avy any an-danitra nilaza tamin’ny hoe : “Nahoana ianao no mandositra ahy, notendreko hanorina ny fiangonako ianao nefa ianao indray no manakorontana ny oloko”. Torana tsy nahatsiaro tena i Norbert nandritra ny ora iray, ary raha vao nahatsiaro tena izy dia nahateny hoe “Andriamanitra ô, inona no hangatahinao amiko ?”, tsapany teo fa tokony handao ny rendrarendran’izao tontolo izao izy ka hanao asa fivalozana. Avy hatrany dia nibebaka i Norbert, nankany Xanten. Navelany ny fitafiana maha mpanakarena azy ka nisalotra ny akanjon’ny mpitoka-monina izy. Ary nitokana tamin’ny trano kely nandrita ny telo taona teo, tsy niala tao amin’io trano io izy raha tsy naka hevitra tamin’ny pretra lehiben’ny fikambanana Bénédictin tao Siegburg.

Ny noely 1115 izy no nohamasinina ho pretra tao Cologne, ka nanao fihatahana masina efapolo andro izy hanomanana izany. Tamin’ny Sorona Masina nataony voalohany dia efa nitory teny izy, nanambara ny mahatsinontsinona ny harena sy ny rendrarendran’izao tontolo izao. Ary nanitsy ny fihetsika sy toetra tsy mety nataon’ireo pretra namany. Ompa sy monomonina no setrin’izany ka naleony nivavaka mangina tany an-trano nitokanany. Nandeha an-tongotra izy ka nisalotra ny akanjom-pibebahana, nifady hanina isan’andro afa-tsy ny alahady. Ankoatra ireo fandalovany matetika tao Siegburg sy tao Rolduc dia nitsidika matetika an’i Ludofl mpanirery ihany koa i Norbert. Any amin’ny lava-bato izy no mandinika ny Soratra Masina sy mivavaka.

Ny toriteny izay nibedibedy ireo pretra no nampakarana azy tao amin’ny Kônsily nasionaly tao Fritzlar tamin’ny 1118. Ary nambara tamin’izany fa nitory teny tsy nahazo alalana i Norbert, ary nanakiana be ny pretra. Miaina ny fitokana-monina tsy miditra any amin’ny ankohonam-piainana. Nanapa-kevitra ny hiala tao Xanten ary i Norbert, nilaozany daholo ny fananany rehetra afa-tsy izay nilainy tamin’ny fanaovana ny Sorona Masina. Dia nomeny ny tao amin’ny trano fitokana-monina tao Fürstenberg ny akamaroan’ny fananany. Nakany Saint-Jules-en-Provence izy, nitety an’i France, ary ny papa, nanome alalana azy hitory ny Vaovao Mahafaly manerana ny Fiangonana romanina. Tsy mahay fiteny romanina nefa izy ka naleony niverina tany Allemagne.

Nanorina ny fikambanan’ny pretra Prémontrés izy rehefa nahazo ny fankaherezana avy amin’ny eveka tao Laon ny 1120 ka naoriny tao amin’ny alan’i Saint-Gobin izany trano izany. Ny 18 jolay 1126 no tonga tao Magdebourg i Norbert. Nametraka ny fialany tsy ho lehiben’ny fikambanana Prémontrés intsony izy noho izy voatendry ho eveka tao Magdebourg. Nahazo ny Palium sy ny fiantsoana azy hoe Chancelier de l’Empire i Norbert. Nanomboka tsy salama izy ary nandeha nody tamin’ny fotoanan'ny karemy. Dia mbola navita ny Sorona Masina fanamasinana menaka ny alakamisy masina, toy izany koa ny Sorona Masin’ny Paka, fa ny Pantekôty 06 jona izy no nandray ny fanosorana ny marary ary nodimandry avy eo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...