Alakamisy 29 desambra 2022 — Andro fahadimy amin'ny Havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35

Alarobia 28 desambra 2022 — Ireo zaza tsy manan-tsiny, Martiry — Fety — Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-18

Talata 27 desambra 2022 — Masindahy Joany, Apôstôly — Fety — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 2-8

Alatsinainy 26 desambra 2022 — Masindahy Étienne, Martiry voalohany — Fety — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 17-22

Alahady 25 desambra 2022 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

Ny Aina sy ny famonjena dia mifamatotra sady tsy misaraka, koa mila mpamonjy izay rehetra tandindomin’ny loza dia ny fahafatesana. Rariny àry ny mampahatsiahy eto fa i Jesoa no hany Mpamonjy antsika, satria ny hamonjy antsika olombelona mba tsy ho faty mandrakizay sy hiaro ny Aina no nahatongavany teto an-tany. Ny kristianina tsirairay izay samy mpanara-dia Azy moa dia natao haka tahaka Azy, ka voalohan’adidin’ny mpino ny mifarimbona hiaro ny Aina sy hiahy ny ain’ny hafa.

Raha tombanana sy fintinina tsotra dia tsotra ny amin’ireo resadresaka sy fanontaniana ary valiny, teto amin’ny fandaharana «Hono ho’ aho Mompera», nandritra ity taona 2022 ity, dia azo lazaina fa tao ireo fanontaniana tsara sy tena mahasoa tokoa ary matotra, tao ireo fanontaniana tsotra sy mazava noho ny tsy fahalalana sy ny fetra ananantsika, ary tao koa ireo fanontaniana toa mitsapatsapa sy natao fanahy iniana ka somary manahirana be ihany ho an’ny sasany.

♦ Tsy noraisin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny fangatahan'ny Filohan'ny Filankevitra Ambony misahana ny Demôkrasia sy ny Fanjakàna Tan-dalàna (HCDDED), hevitry ny HCC ny 15 desambra lasa teo... ♦ Tsy azo ekena hoy ny Filohan'ny antoko MMM ny fanaovana antsojay ireo olom-boafidy eny ifotony tsy mitovy loko pôlitika amin'ny fitondrana... ♦ Misy amin'ireo Kaominina ao amin'ny Distrikan'i Miarinarivo no tsy mahazo herinaratra afa-tsy roa andro isam-bolana hoy ny solombavambahoaka  voafidy tany an-toerana...

♦ Ho fampifaliana ny vahoaka Malagasy amin'izao fetin'ny Noely izao, dia afaka hianoka ireo karazan-kaingo sy hazavana samihafa eny amin'ny manodidina ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra izy ireo, manomboka izao hariva izao... ♦ Hijery manokana ny vahoaka Malagasy ny fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifana amin'izao fety izao, ka natomboka androany ny fanaparitahana eny amin'ny tsena, ny Vary Tsinjo Mifety...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 49, 3. 5-6

Hatsangako ho Fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko.

Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamiko:

“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako”.

Ary ankehitriny miteny ny Tompo,
Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
— Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.
— Hoy Izy:

“Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray,
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10

Inty aho tamy, Tompo, mba hanao ny sitrakao.

Niandry ny Tompo aho ka niandry,
niondrika Izy, nihaino talaho,
hira vao no nataony teo am-bavako,
fiderana an’ilay Tompontsika.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra:
ny sofiko manko nosokafanao.
Tsy misy ilainao mihitsy
izay sorona dorana sy fanonerana;

ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.
Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy:
ny manao ny sitrakao no mamiko;
ny lalànao, ry Tompo,
no ato am-poko.

Ny fahamarinanao, ry Tompo,
notorîko tamin’ny fiangonana;
ny molotro tsy nakomboko:
fantatrao tsara izany.

Vakiteny faharoa

Fiantombohan’ny taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 1-3

Ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Izaho Paoly
voaantso ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy
noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Sôstena rahalahy,
dia mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty,
dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy,
olona voaantso sady masina mbamin’izay rehetra
miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika,
na aiza na aiza misy azy:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika,
ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 1, 29-34

Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’ny olona.

Tamin’izany andro izany,
dia nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany
ka nanao hoe:

“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra,
indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Izy no ilay nantsoiko hoe:

Misy lehilahy avy ao aoriako,
sy efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy.
Ary izaho tsy nahalala Azy;
fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely
no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”.

Ary nilaza marina i Joany nanao hoe:

“Efa hitako ny Fanahy Masina
nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala,
ka nitoetra teo amboniny.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano
no nilaza tamiko hoe:

‘Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina’.

Ary nahita aho ka milaza marina
fa Izy no Zanak’Andriamanitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 12-16

Aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana.

Ry kristianina havana,
velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy,
ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary
eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe
izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka
ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika
tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilantsika izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 15

Ny teninao, Tompo, fanahy sy fiainana.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana
samy rariny avokoa.

Ho sitraka eo anoloanao anie
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry ilay Mpanavotra ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 13-17

Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe
nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:

“Andeha hanaraka Ahy.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana
tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ny Mpampianatrareo
no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Raha nahare izany i Jesoa,
dia nanao taminy hoe:

“Tsy ny finaritra no mila dokotera,
fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho,
fa ny mpanota.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...