Alarobia 25 janoary 2023 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)

Mankalaza ny nibebahan’i Masindahy Paoly Apôstôly isika izao: ilay olona mafana fo amin’ny fitandrovana ny lalàna Jody sy saro-piaro amin’izany, ka nanenjika izay mifanohitra amin’izany toa an’ireo nanaraka an’i Jesoa Kristy. Fa rehefa nisehoany tamin’ny antoandro be nigaingaina kosa dia nidaraboka tamin’ny tany, lasa olom-baovao ka NIBEBAKA, lasa nitory izay nenjehiny teo aloha avy eo. Ny fibebahana araka izany, midika ho fiovam-penitra mahery vaika, izany hoe miova tondro zotra mihitsy ka mitodi-doha any an-kafa indray, avela tanteraka ny teo aloha fa miova vaovao. Atao ravin-kazo nanintsana izay tsy nety teo aloha fa ny sisa no ampaniriana, aoka izay tsy mety harenina amin’ny toko tapaka sy vilany nitongilana noho ny hadisoana teo.

Fa hasarotam-piaro sy ny fanajana ary ny fampanajana ny lalàna no nahatonga an’i Paoly hanenjika ireo mpanara-dia ny fivavahan’i Jesoa Kristy, ka nalain’Andriamanitra izany hafanam-pony izany, rehefa nibebaka izy, mba hampiasainy kosa amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Tonga Apôstôly izy, araka izany ka nanao ny asan’Apôstôly, nanatanteraka io voalazan’i Jesoa ao amin’ny Evanjely io: Mandeha amin’izao tontolo izao, mitory ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Baiko ny an’i Jesoa fa tsy fiangaviana, ka tsy maintsy tanterahan’izay manara-dia Azy, indrindra ireo mpianany. Amin’izay taon-jezika an-kady ny asa fitorina ka aina no fetra, ary ny adidy tsy an’olon-dratsy, fa izay miasa tambesaran’adidy fa izay kamo be tenda kosa no tsy miasa fa mamantam-bonona. Mazava ny tenin’i Jesoa eto hoe: “Mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra”. Ka tsy ny olona ihany fa ny voary rehetra, izany hoe ny fifandraisana amin’ny zava-boary izany. Adidy ihany koa ny fanajariana sy ny fikolokoloana azy ireny fa isan’ny fitoriana ny Evanjely ihany koa izany.

Mahatonga finoana ny fitoriana ny Evanjely, ka noho io finoana io no andraisana sakramenta, ilaina ho amin’ny famonjena mantsy izany. Ka raha mbola kely ohatra ilay olona, sarotra ny hamantarana ny finoany, dia ny an’ireo niteraka na ny manodidina azy no takiana hino, hitantsika izany amin’ny batemin-jaza fa tsy azo sarahana amin’izany ny finoan’ny Eglizy. Aoka isika hafana fo toa an’i Masindahy Paoly amin’ny asa fitoriana ny Evanjely.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...