Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 5, 1-10

Na dia Zanak’Andriamanitra aza Izy dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany.

Ry kristianina havana,
rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin’ny olona,
dia tendrena ho solon’ny olona
amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra,
mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,
sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy,
satria na ny tenany aza,
mba voan’ny fahalemena ihany koa,
ka noho izany fahalemeny izany,
tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany,
toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.
Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany,
afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra
tahaka an-dry Aarôna ihany.
Dia toy izany koa i Kristy,
fa tsy Izy no nanandra-tena ho mpisorombe,
fa Ilay nanao taminy hoe:

“Zanako Ianao,
Izaho no niteraka Anao androany”

sy nilaza tamin’ny teny hafa koa hoe:

“Ianao no mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”

Tamin’ny andron’ny nofony,
nony nanolotra fivavahana sy fifonana
nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be
tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany,
na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay
ho an’izay manaiky Azy,
fa antsoin’Andriamanitra hoe:

Mpisorombe araka ny fomban’i Melkisedeka.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 109, 1. 2. 3. 4

Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”

Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
Avy ao Siôna manjakà hatr’anivom-pahavalo.

Fa anao ny Fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao Mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 18-22

Mbola eo aminy ny mpampakatra.

Tamin’izany andro izany:
fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina,
ka nisy nanatona nanao taminy hoe:

“Nahoana ny mpianatr’i Joany
sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina,
nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra,
dia tsy mahazo mifady izy;
fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy,
ka amin’izany andro izany vao hifady izy.
Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao;
fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta;
fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra,
ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra;
fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Sabotsy 7 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12

Zoma 6 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11

Alakamisy 5 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 43-51

Alarobia 4 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 35-42

♦ Hanao fanadihadiana faran'izay maika eo anivon'ny CNLS ny ao amin'ny IGE araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Misy fandaniam-bola tsy mazava ary tsy tokony natao tao amin'io rafitra io ka takian'ny tahirim-bola maneran-tany ny hamerenana azy... ♦ Nanamafy ny RMDM fa tsy mihevitra haka seza sy hiara-hitantana izy ireo ary tsy miombon-kevitra amin'ny mety hanitarana ny fe-potoana itantanan'ny mpitondra ankehitriny ny firenena... ♦ Lasa ady iombonana ho an'ny firenena iray manontolo ny ady atao amin'ny valala. Manampy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana mitarika izany ny zandarimariam-pirenena sy ny ministeran'ny atitany...

Talata 3 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34

Alatsinainy 2 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 19-28

Alahady 1 janoary 2023 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21

Ho an'ny tsirairay ao amin'ny ankohonana dia tsara ny fikatsahana ny : firindràna sy filaminana mba hiteraka fahasambarana. Araraotina ny tonon-taona mba hanorenena fifanakalozana fijery miabo ary fiaraha-monina mampiombona. Hapetraka ny fitsipika ka asiana fotoana iaraha-maneho fa fo mitempo miaraka no ao amin'ny ankohonana. Ilaina ny fivoizana ireto soatoavina ireto:  fifankatiavana, fifampizarana, fiarahana matetika, fifankahafantrana, fiekena fahadisoa, fandeferana, fiaraha-mifaly anaty fahamarinana sy fifanajàna. Rehefa voahaja ny fitsipika, mirindra ny fiaraha-monina, milamina fifandraisana dia miseho mora foana ny fahasambarana ho an'ny ankohonana.

Sabotsy 31 desambra 2022 — Andro fahafito amin'ny Havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

Zoma 30 desambra 2022 — Ny Fianakaviana Masina — Taona A — Fety — Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy  — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...