Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...

Foto-tsakafon'ny kankana ompian'i Papa Bio amokarana izay zezika kankana izay ny tanamasoandro dia, ny mololo ary ny tain'omby. Nahagaga ny vahiny mpikaroka iray, tonga nitsidika ny famokarana tao aminy, ny ampiasany an'ireo sakafo ireo saingy rehefa natao ny fifanakalozana dia tena ahafahana mahazo taharon-jezika tsara sy mahomby izy ireo. Zezika NPK voajanahary no azo avy amin'ireo ary ambony ny tahan'ny taharo ao aminy hoy Papa Bio.

Nohamafisin'i Papa Bio fa sakafo ara-pahasalamana no azo avy amin'ny fampiasana ny zezika kankana vokariny sy ampianariny an'ireo tantsaha tonga miofana ao aminy. Miavaka ny tsiron'ny sakafo ankoatr'izany satria ara-boajanahary tanteraka ny namokarana azy.

Mamono bibiy kely mpanimba voly ihany koa ny zezika kankana na ny ranon-jezika kankana azo avy amin'ny kankana mihinana ireo karazan-tsakafo nambara tetsy aloha, indrindra fa ilay tanamasoandro dia. Nahomby ny andrana natao, na ny lolon-kely mpanimba ny voly katsaka aza tsy hita eo amin'ny tanimboly intsony rehefa ampiasaina izy io.

Nanatsara ny velon-tenan'ireo tantsaha niofana tao aminy ny zezika kankana nampiasain'izy ireo tamin'ny fambolena. Be mpitady mantsy ny vokatra amin'ny maha biôlôjika azy. Nihatsara koa ny fari-piainan'ireo mamokatra ny zezika kankana. Misy ary maro ny lalam-barotra. Efa mirona amin'izany ny ankamaroan'ireo mpamokatra biôlôjika ankehitriny.

[Miara-dàlana] Zoma 22 septambra 2023

♦ Nosokafana androany ary haharitra 3 andro ao Mahajanga ny fihaonan’ny fikambanana masina hivondronan’ny tokantrano kristianina avy amin’ny Arsidiôsezy Avaratra… ♦ Nifantoka tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny kolontsaina sy ny fampanaraham-bolontany ny Evanjely ny votoatin’ny katesizin’ny Papa François ny alarobia 20 septambra 2023… ♦ Nanomboka androany ny fitsidihana apôstôlika faha-44 ataon’ny Ray Masina any Marseille…

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...