♦ Mizotra mianatsimo andrefana hatrany ny dian'ilay rivo-doza atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 40 km avaratr'Antalaha no nisy ny foibeny tamin'ny 9 ora maraina teo... ♦ Takian'ny Federasiôna Ivondronan'ireo Voafonja Politika (FEDEP) ny hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena manoloana ny toe-draharaham-pirenena sy ny fiaraha-monina malagasy amin'izao fotoana izao. Maherin'ny 1000 ireo voafonja noho ny pôlitika no miandry ny fanonerana ara-bola avy amin'ny Fanjakàna...  ♦ Nomena alalana nandritra ny filan-kevitry ny ministra ny tsy fanarahana ny pitsopitsony mahazatra, takiana amin'ny maha tsenan'asam-panjakàna amin'ny asa fanamboarana ireo lalam-pirenena eto amintsika...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...