♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny mosary ny sendika Seces sampana Antananarivo amin'ny taona ho avy manoloana ny tsy fahampian'ny orana any amin'ireo toerana fambolem-bary sompitr'i Madagasikara... ♦ Mbola olana tsy voafaritra hatramin'izao ny karama farany ambany ho ampiharina amin'ny taona ho avy. Maro anefa ireo mpiasa mbola tsy nisitraka ny karama farany ambany 250.000 Ariary mandraka ankehitriny... ♦ Mandeha ny feo ankehitriny fa hisy vahiny mpitrandraka alefa ao Sahantona Mandritsara. Tsy miombon-kevitra amin'izany ka manao antso avo amin'ny fitondram-panjakàna ny solombavambahoaka any an-toerana...
♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny mosary eto Madagasikara amin'ny taona ho avy ny SECES Sampana Antananarivo, noho ny tsy fahampian'orana any Alaotra sy Marovoay. 10% amin'ny toeram-pambolena isan-taona ihany no voavoly vary any Alaotra Ankehitriny... ♦ Mbola tsy nahita marimaritra iraisana ny sendikà sy ny vondron'ny mpampiasa hatramin'izao momba ny famaritana ny karama farany ambany ampiharina amin'ny taona 2023. Miantso ny fanjakàna hitondra vahaolana ny FISEMARE... ♦ Miha-goragora indray ny fanajàna ny fepetra fisorohana ny covid19 amin'izao fiatrehana ny fetin'ny faran'ny taona izao. Misy amin'ireo kaoperativa mpitatitra no nandray andraikitra amin'ireo mpandeha ao aminy...
♦ Hatao ny 28 desambra izao ny fandraisana ara-teknika ny dingana voalohany amin'ny tetik'asa MIAMI any Toamasina... ♦ Tandindomin-doza ny voly lavanila ao amin'ny Kaominina miisa dimy any amin'ny Distrika Ambanja, Faritra Diana manoloana ny fitrandrahana terre-rare... ♦ Ny iray ampaha-telon'ny olona tonga nizaha fahasalamana tao amin'ny Hôpitaly HJRA afak'omaly 24 desambra sy hatramin'ny omaly 25 desambra tolakandro dia vokatry ny lozam-pifamoivoizana avokoa, ary mpitondra moto ny ankamaroany...
♦ Hafatra Noely 2022 avy amin'ny FFKM : aoka tsy ho mpihaino fotsiny fa tena iaina ny Tenin'Andriamanitra isika. Mitarika antsika handinintena anatin'ny fanetren-tena ny Filazantsaran'ny Famonjena ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin'ny fahalovana sy ny ratsy fanao... ♦ Misafidy hiara-mivavaka, miara-mifety ary mizara fanomezana ho an'ireo olona ampian'i Père Pedro eny amin'ny Akmasoa hatrany ny Filoham-pirenena sy ny vady aman-janany isaky ny fetin'ny Noely... ♦ Nizotra tamim-pilaminana amin'ny ankapobeny ny fetin'ny Noely nanerana ny nosy. Nampitomboina rahateo ireo mpitandro ny filaminana nanao fisafoana ary mbola mitohy amin'ny fety handraisana ny taona voavao ihany koa izany...
Ny kitrotro dia aretina tsy maintsy hanaovana fanambarana, sokajiana ho isan'ny aretina misy mamorifotra eny amin'ny hoditra. Ny fiatombohan'ny volana novambra teo no nirongatra indray ity aretina ity. Ny kitrotro dia aretina ateraky ny tsimok'aretina "paramyxovirus", ary mety ahazo ny zaza 6 volana hatramin'ny 5 taona fa mety hisy ihany ireo olon-dehibe. Ny fomba fifindrany : amin'ny olona samy olona amin'ny alalan'ny rora na lelo. Fambara : tandomerina manomboka eo amin'ny tarehy, tasy fotsy anaty vava, manavy ary miakatra be ny hafanana, mitsoro ranin-delo, tarimo eo amin'ny tenda, malain-komana, mena ny maso, mikohoka, reraka...
♦ Mankasitraka ny finiavan'ny Fanjakàna amerikana hanampy amin'ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ny antoko Malagasy-Miara-Miainga mba ho antoky ny fitoniana... ♦ Mizarazara ny hevitr'ireo mpanao pôlitika manoloana ny famaritana ny atao hoe fitoniana... ♦ Maro ny tsara ho fantatra sy ny fiomanana amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely izao... ♦ Voaroaka ao Burkina-Fasso ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana Barbara Manzi...
♦ Tsy mbola niova amin'ny fanapahakeviny ny antoko HVM amin'ny fangatahana ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy... ♦ Tsy misitraka ny tamberim-bidy amin'ny asa fitrandrahana ataon'ny Madagascar-Oil ny Kaominina ambanivohitra Akondromena, hoy ny Ben'ny Tanàna any an-toerana... ♦ Fanamby hotratrarin'i Madagasikara amin'ny taona 2024 ny hamokatra vary akotry 6 tapitrisa taonina... ♦ Olona telo maty ary nisy ireo naratra vokatry ny tifitra nataon'ny lehilahy iray tao Paris...
♦ Mitaky ezaka sy fahitsiana, ary fikelezan'aina, ny asa eo anivon'ny fiadidiana ny repôblika, mba ho fitaratra sy môdely ho an'ny sehatra hafa rehetra hoy ny Filoha Andry Rajoelina androany tamin'ireo mpiara-miasa aminy eo anivon'ny Fiadidiana ny repôblika... ♦ Hiroso amin'ny fandoavana ny onitra amin'ireo olona manana tany eny amin'ny toerana hanaovana ny tetik'asa Tanamasoandro ny fitondram-panjakàna... ♦ Efa mitrandraka mitatitra ary mivarotra ny vokatra trandrahiny ny orinasa Madagascar-Oil saingy tsy misitraka ny tamberim-bidy avy amin'izany ny Kaominina Akondromena hoy ny Ben'ny Tanàna...
♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany i Sr Marie Jeannine Rasoarimalala sy Sr Marie Rosalie Razafindrasoa, ao amin'ny fikambanan'ny Masera Orsolinina zanakavavin'i Masina Maria tsy azon-keloka avy any Verone... ♦ Ilaina amin'ny fandanjalanja ny fiainam-panahy ny fampitahana azy amin'ny Soratra Masina sy ny foto-pampianaran'ny Eglizy, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 21 desambra 2022... ♦ Nirary soa ireo mpandraharaha ao amin'ny Curie Romaine ny Papa François, mba ho mailo manoloana ny demony...
♦ Tsy marina ny vaovao niparitaka fa miandany amin'ny antoko pôlitika iray, ny Filohan'ny CENI, hoy ny Talen'ny Kabinetrany... ♦ Miisa enina isan-kerinandro ireo olona voatily ho marary voa eto Madagasikara. Marary 200 amin'ireo 10.000 tokony hanao dialyse no afaka manao izany... ♦ Mijanona eo amin'ny laharana faha-102 maneran-tany ny Ekipam-pirenena malagasy Barea, araka ny filaharana navoakan'ny FIFA...
♦ Tsy hanaiky sy tsy handefitra amin'ny asa fanakorontanana eto amin'ny firenena, ary handray andraikitra manandrify amin'izany ny Foloalindahy Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Nankatoavin'ny Governemanta malagasy ny fangatahan'ny CENI amin'ny hanalavana ny fe-potoana hanavaozna tanteraka ny lisitry ny mpifidy... ♦ Niroso tamin'ny fametrahana ireo saina mena mamaritra ny maha faritra tandindonin-doza ny eny amin'ny vohitr'i Manjakamiadana androany, ny BNGRC. Miisa 1540 ireo trano tafiditra amin'izany...
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 6, 10-20
Ry kristianina havana,
tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria!
ka hanadino ny asanareo,
sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany,
tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy
hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany,
mba tsy hiketraka ianareo,
fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina
noho ny finoany sy ny faharetany.
Tamin’ny fampanantenana
nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama,
noho ny tsy fisian’ny lehibebe kokoa noho ny tenany,
dia nianiana tamin’ny tenany Izy.
Ka nanao hoe:
“Hosoaviko tokoa ianao sy hohamaroiko koa”;
ary nahazo ny nampanantena azy io Patriarka io,
satria niandry tamim-paharetana izy.
Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany
no ianianan’ny olona,
ary ny fianianana no ataony antoka
ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.
Koa mba hanehoan’Andriamanitra mazavazava kokoa
ny tsy fiovan’ny fikasany amin’ny mpandova ny fampanantenana
dia nohamafisiny tamin’ny fianianana izany,
mba ho zavatra roa tsy manam-piovana
sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika
no hahazoantsika fanalana alahelo mahery;
fa efa mihazakazaka isika
hihazona ny fanantenana natolotra antsika.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina
sady mafy no tsy mihetsika,
ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa
ho Mpialoha antsika,
rahefa natao Mpisorombe mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 4-5. 9 sy 10d
Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivoarian’ny olo-marina sy am-piangonam-be.
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy,
sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
Masina sy mahatahotra ny Anarany;
maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa
fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 23-28
Indray sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,
ka hoy ny Farisianina taminy:
“Jereo ange e,
nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?”
Fa hoy Izy taminy:
“Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?
Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona,
ka nihinana ny mofo alahatra
izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany,
sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.”
Dia hoy koa Izy taminy:
“Ny sabata no natao ho an’ny olona,
fa tsy ny olona no ho an’ny sabata.
Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco