Bokin’i Izaia Mpaminany 8, 23b — 9, 3
Toy ny nanotofan’ny andro taloha
fahafahambaraka ny tany Zabolôna sy ny tany Neftali
no hamenoan’ny andro farany voninahitra,
ny lalan’ny ranomasina, ny tany an-dafin’i Jordany,
ary ny faritanin’ny firenena.
Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan’ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao ianao,
ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao,
toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin’ny mpitoraka azy, dia samy notapahinao,
toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 26, 1. 4. 13-14
Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko aminao, ô ry Tompo:
ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.
Matoky aho fa ny hasoan’ny Tompo
ho hitako any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 10-13. 17
Ry kristianina havana,
mihanta aminareo
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho,
mba hiray teny daholo ianareo,
ka tsy hisy fisarahana eo aminareo,
fa ho tafakambana tsara amimpiraisan-tsaina
sy hevitra avokoa ianareo.
Reko tamin-dry i Klôe anie ny aminareo e,
fa hoe misy fifandirana ao aminareo;
izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe:
“Izaho an’i Paoly”;
ny sasany kosa manao hoe:
“Izaho an’i Apôlô”,
na:
“Izaho an’i Sefasy”.
Voazarazara va i Kristy?
Ary i Paoly va no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana ho anareo?
Sa tamin’ny anaran’i Paoly no natao Batemy ianareo?
Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy,
fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa,
fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-23
Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:
Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.
Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:
“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.
Ary raha nitsangantsangana
teny amoron’ny ranomasin’i Galilea i Jesoa,
dia nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny,
nanarato tao amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:
“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo”.
Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo
ka nanaraka Azy.
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo,
nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona,
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-17
Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:
Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.
Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:
“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Manambana ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan'ny nosy ireo tangoron-drahona roa ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hikambana ho iray izy ireo rahampitso alarobia ka hamorona andro ratsy hoy ny Météo... ♦ Nitokona tsy niasa omaly ireo mpamily fiarabe mpitatitra entana amin'ny lalam-pirenena faharoa. Milaza ny hampiato ny hetsika izy ire, taorian'ny omaly, ka manome 5 andro ny Fanjakàna hitondrana vahaolana... ♦ Tsy mbola misy mangirana hatramin'izao ireo fitakiana nalefan'ny SSM any amin'ny mpitondra mahefa momba ny zon'ny mpiasa. Handray fanapahan-kevitra izy ireo, raha dia ny 18 febroary izao, hisian'ny hetsika manaraka...
♦ Tombanana hikambana ka ho lasa andro ratsy ireo tangoron-drahona roa any amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, amin'ny alarobia izao... ♦ Tsy laharam-pahamehana ho an'ny fitondrana ankehitriny, ireo mpiasa raha oharina amin'ny orinasa vahiny, hoy ny Valabe Firaisan-kinan'ny Mpiasa Malagasy, na ny SSM, androany... ♦ Nifanindran-dalana tamin'ny hetsiky ny mpitondra camion tao Ankarefo, any Moramanga, androany, ny dinika fitadiavam-bahaolana taty Antananarivo Renivohitra...
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala sy ny fametrahana azy ho Mpinadry ondrin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nanatanteraka ny Andron'ny fiainam-panahin'ny Finakaviambe Salezianina, ny Salezianina eto Madagasikara, omaly... ♦ Rehefa avy nanao batemy an'i Jesoa teo Jordany i Joany Batsista, avy hatrany dia nanatanteraka ny iraka ho azy, tsy nila dera ary tsy niandry valisoa. Nanentana ny pretra rehetra sy ny relijiozy ny Papa, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hoentanin'io fanahin'ny fanompoan'i Joany Batista io...
♦ Ahemotra amin'ny sabotsy 28 janoary ny fanokafana ôfisialy ny taona fambolen-kazo, izay hatao any Ilaka-Est, noho ny fiforonan'ny andro ratsy ao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Efa resy lahatra amin'ny voka-tsoa ho entin'ny asa fitrandrahan'ny Base Toliara indray ankehitriny, ny ankamaroan'ireo nanohitra ny Tetikasa, any amin'ny Fokontany Benetsy Toliara-II... ♦ Herin-taona omaly 15 janoary, izay androm-pirenena ho an'ny Kabary Malagasy, ny nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy ny nampidirana ny Kabary ho harem-bakoka ara-tsain'ny zanak'olombelona...
Ny fanabeazana dia miompana amin'ny lafiny telo : vatana, saina, fanahy. Ny lafika iorenan'ny fanabeazana ny olom-pirenena ho vanona dia ny "soatoavina". Teny no maha firenena ny firenena iray, etsy ankilany anefa mbola ahitàna fampifangaroana teny ny eny amin'ny tontolo hita maso sy ny re, izay no mahasarotra ny fampiasana tanteraka ny "teny malagasy" ; eo koa ny halavan'ny voamboalana malagasy tandrify ireo teny vahiny. Appel = Antso anarana. Registre = Bokin'anarana. Protége = hefina. Porte-documents = hefin-takelaka. Blouse = Hefin'akanjo. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.
Ny voambolana "Hefina" sy ny "Aro" dia misy heviny maha samy hafa azy. Ny hefina dia fiarovana mba tsy ho voakasika isany fifampikasoana malefaka, ohatra hefin'akanjo (blouse); ny aro kosa dia hampiasaina indrindra amin'ny izay tsy havoa ny loza na dona na ako zavatra iray, ohatra arokòna na arodona (pare-chocs). Ny tovona "hay" dia entina hanamarihana fahaizana mifehy zavatra iray, ohatra Haitao vaovao. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala ho Evekan'Ambanja... ♦ Handray pôlisy monisipaly sy mpamonjy voina miisa 200 ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin'ity taona ity... ♦ Lalao baolina kitra fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika, tsy misy mpilalao avy any ivelany, nany CHAN, resin'i Barean'i Madagasikara tamin'ny isa 02 noho 01 ry zareo Black Starn'i Ghana... ♦ Any Burkinafaso, mbola karohina hatramin'izao ireo vehivavy 50 mahery nisy naka an-keriny tamin'ny alakamisy sy zoma teo...
Fiandrandrana ny soa iombonana any an-koatra ny fikatsahana ny soa iombonana ety an-tany. Misy ny fomba fijery ara-tantara fotsiny ny soa iombonana. Fijery izay miompana amin'ny hitan'ny maso sy tsapain-tanana, ary izany dia miafara amin'ny fanovana ny soa iombonana ho hafinaretana tsotra eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fiharian-karena. Manam-petra ihany anefa io fomba ara-tantara io. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Ny fonjan-kevitra momba ny "soa iombonana" dia iray amin'ireo andry efatra izay tsy miova amin'ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ireo andry lehibe efatra : Ny hasin'ny fahamendrehan'ny olombelona, soa iombonana, ny tsy misalovana andraikitra, firaisan-kina. Ny soa iombonana dia mamela antsika hanome fahafaham-po ny filan'ny olombelona rehetra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
♦ Notsofin-drano araka ny fomban-tany androany maraina Mgr Donatien Francis Randriamalala, voatendry hitantana ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Mbola hampikatso ny fampianarana eny Ankatso ny sendikàn'ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo. Tokony efa hanomboka amin'ity volana janoary ity anefa ny taom-pianarana vaovao eny amin'ny Anjerimanontolo... ♦ Hiakatra kianja voalohany amin'ny CHAN 2023 any Algerie rahampitso ny Barean'i Madagasikara. Hifandona amintsika amin'ny 10 ora alina, ora malagasy, i Ghana ka hivantana amin'ny fahitalavi-pirenena...
Fady ary tsy azo atao ny manotra na manosotra fanafody manala fanaintainana amin'ny faritry ny lamosina raha toa ka marary io faritra io. Mialohan'ny handraisana fepetra mikasika izay fitsaboana hatao dia tokony ho fantarina mazava izay anton'ny mahatonga ilay aretina na fanaintainana. Ny hazon-damosina dia fitambaran'ireo taolana mampijoro sy mampihetsika olona iray, mety hiisa 32 na 33 izy ireo. Saropady ny lamosina sy ny hazon-damosina. Mizara efatra ny hazon-damosina : ambony indrindra amin'ny faritry ny hatoka misy taolana 7isa ; ny faharoa dia ireo manandrify ny tratra misy taolana 12 isa ; manandrify ny valahana taolana 5 isa, ny farany ambany mifanohy amin'ny fitombenana, misy taolana miisa 9...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco