Maro ny fikarohana nataon'Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio momba ny famokarana zezika kankana. Nahataitra ireo mpikaroka hatrany ivelany ny fikarakarany izany zezika izany tamin'iny taona 2022, lasa teo iny. Naniraka mpikaroka nihaona manokana tamin'i Papa Bio ny ivon-toerana fikarohana iray any Frantsa tamin'ny taon-dasa teo. Nifanakalo hevitra taminy momba ireo taharon-tsakafo omena ny kankana mamokatra ny zezika. Ora maro no naharetan'ny fifanakalozana. Papa Bio nanazava sy nanoro ieo sakafo omena ny Kankana. Feno hoy izy ny taharo maha zezika tsara kalitao azy...

Liana amin'ny fikarohana ataon'ny "Lanja Miakatra" sy ny Papa Bio ihany koa ny mpianatra ao amin'ny Sekoly ambony manofana momba ny Fambolena eny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo. Nitsidika ny toeram-pamokarana zezika kankana an'i Papa Bio ao Soavinandriana izy ireo. Atoro azy ireo hoy Andriamatoa Ranaivoarison Basile fa miantoka ny fahasalamana ho an'ny mpanjifa ny famokarana sakafo tsy ampiasàna afa-tsy singa voajanahary ny fikarakarana azy. Ho an'i Papa Bio ny ranon'ny zezika kankana sy ny fampiasàna ny taharo mamono bibikely azo avy amin'ny mangahazo dia ampy hiatrehana ny biby kely fahavalon'ny fambolena. Hita taratra ao amin'ny sahany ny fahombiazana avy amin'izany hoy Papa Bio.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...