Alahady 22 janoary 2023 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona A — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-23

Foto-kevitra aroso hodinihantsika amin’ity herinandro tsotra fahatelo mandavantaona A ity, ny hoe: “Masoandro be lohataona i Kristy ka tsy mifidy olon-ko soavina”. Mibaribary izany ato amin’ity Evanjely ity. “Nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy i Neftalì ka nonina tao.” Manaiky hiara-monina amintsika Andriamanitra. Tsy mifidy na manavaka tany onenana Izy. Hany ka nandeha any amin’ireo tany heverina maha betsaka ny ratsy indrindra. Ny ranomasinia mantsy ao amin’ny Baiboly dia maneho ny herin’ny ratsy. Hanala antsika amin’izany indrindra no nahatongavany. Tsy manavaka Izy na tany, indrindra moa ny olona. Fa “na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.” (Iz 1, 18). Ny ota no tsy tiany fa ny mpanota tolorany indrafo, indrindra raha miverina aminy.

Fanampin’izany, amin’ny maha Fahazavana Azy: “Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.” Fahazana i Jesoa ka tsy izay mazava no tena mila fanazavana, fa indrindra ny haizina. Aoka aloha isika hiaky fa maizina, ka meteza avy eo hanokatra ny varavaran’ny fontsika hidiran’ny fahazavan’i Kristy. Isika izay mitakiky anaty haizin’ny fahotana toy ny olona tao Zabolona sy i Neftali. Fa izay mandrindrina ny fony kosa dia hitoetra anatin’ny haizina hatrany, ka ho loza no hiafarany. Ny toriteny nataony voalohany dia hoe: MIBEBAHA, ary toa mbola miteny izany ihany Izy mandraka ankehitriny, amin’ny alalan’ny Egliziny. Koa aza miandry ampitso ampitso lava, aza mitaredretra fa dieny izao, andao mibebaka satria efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Marihina fa tsy hoe: “ho avy” fa hoe: “akaiky” ka toy ny fahazoan-dalana mampiditra antsika any io fibebahana io. Tsy teny tononina fotsiny anefa izany fa mitaky asa sy fiovam-piainana vaovao.

Koa nifidy mpiara-miasa aminy akaiky Izy, dia ireo Apôstôly izany, mba haha be voho io fanjakan’Andriamanitra io. Hitantsika izao teo ny nifidianany ireo mpianany voalohany, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny. Samy teny am-piasany avy. Amin’ity fiantsona eto ity no mampiseho amintsika fa izay miasa no antsoin’Izy Tompo, toa izay be raharaha no omeny raharaha, ka aza gaga ny amin’izany raha toa ka mbola misy an’izany ankehitriny, satria tsy mitsahatra miantso antsika Izy ho mpiara-miasa aminy. Ka mila mandao ny harato fakana trondro isika ka haka ny harato fakana olona ao aminy, mandao ny rano sy ny trondro ary ny tontolony ka hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, tontolo vaovao, hamaly ny antson’Izy Tompo miantefa amintsika eo amin’ny sehatra iantsoany antsika avy. Aza mifikitra amin’izay mahazatra fa aoka hihavao ao aminy. Ka tsy voatery ho pretra na ho relijiozy na izay manokan-tena ihany, fa isika rehetra mihitsy, satria midadasika io Fanjakan’Andriamanitra io. Manosika antsika amin’izany ny batemy noraisintsika. Ka Izy Kristy arahina fa tsy olona na zavatra hafa: toy ny vola na harena na fandosirana adidy fa Izy ihany ka handaozana izay heverina ho lalaina indrindra aza, toy ny fianakaviana na sakaiza tsy mahafoy. Modely amin’izany ireto mpianatra voalohany ireto: “niaraka tamin’izay… nanaraka Azy”. Mazava ny miandry any: nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. Koa alao hery àry e! Mazotoa amin’ny antso miantefa amintsika tsirairay avy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...