♦ Tombanana hiditra an-tanety any amin'ny tapany avaratry ny Distrikan'Antalaha amin'ity maraina ity ilay rivo-doza "forte tempête tropicale" Cheneso. Tany amin'ny 75 km atsinanana somary avaratra atsinanan'i Sambava no nisy ny foibeny tamin'ny 3ora maraina teo... ♦ Tsy hiverina hanohy ny asany ireo mpiasa eny amin'ny Lycée Nanisana raha tsy amin'ny alatsinainy izao. Voalaza fa nanomboka nivoaka ny tolakandro teo ny "bon de caisse" amin'ny fisitrahana ny "vacation BEPC"... ♦ Manome 10 andro ireo tompon'andraikitra mahefa mba hanokafana sy hizarana ny trano vaovaon'ny mpianatra ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo Antananarivo. Efa tara herintaona ny fampanantenan'ny Ministra mpiahy amin'ny fisokafan'ny trano...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...