♦ Nivoatra haingana ka niakatra ho 80km/ora ny rivotra entin'ilay rivodoza Cheneso, izay arahana tafiotra 110km/ora. Tombanana hiroso ho rahampitso vao maraina ny fidirany an-tanety, eo anelanelan'i Vohémar sy Antalaha... ♦ Tsy hiverina handray ny asany ireo mpiasa eny amin'ny Lycée Nanisana, raha tsy amin'ny alatsinainy izao. Voalaza fa nanomboka nivoaka ny tolakandro teo ny Bon de caisse, amin'ny fisitrahana ny vacation BEPC... ♦ Manome 10 andro ny tompon'andraikitra mahefa, mba hanokafana sy hizarana ny trano vaovaon'ny mpianatra Cité R+1, kosa ireo mpianatra...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...