Niady nifampitolona hila hifandratra mihitsy ny tovolahy roa mpikarama manadio kiraro eny amoron-dàlana fa hoe tena tian'i Don Bosco kokoa. Soa fa nandalo indrindra i Don Bosco nandrava ny adin'izy ireo sy namerina ny finamanan'izy roa lahy indray.

Fety lehibe , tsy afaka misaraka amin'ny Noely ny Epifania. Misy hevi-pinoana lalina fonosin'izany. Fandalinam-pinoana miaraka amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa:

Alahady 05 janoary 2020 — Ny nisehoan'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 1-12 — Efa nahita ny kintana tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

Tsy faly tamin'ny nahatongavan-dry Don Bosco tao amin'ny tanànan-dry zareo ny mpanampy iray tao amin'ilay toerana, ary nampiseho toetra tsy mendrika amin'ny fifandraisana aman'olona mihitsy aza. Nahitan'i Don Bosco hevitra izany ka niova tao anatin'ny indray mipi-maso ilay mpanampy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...