Zoma 11 septambra 2020 — Herinandro faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-42 — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Androany sy rahampitso ny Evanjely aroso ho antsika dia entin’i Jesoa anehoana amintsika ireo toetra manavanana antsika andavanandro nefa tsy mifanaraka amin’ny Evanjely. Amin’ny alalan’ny zavatra mampifandray antsika amin’ny hafa sy amin’Izy Jesoa sy Andriamanitra anefa no entiny maneho izany : elanelam-pandrefesana, maso, hazo, vava, trano. Ahoana àry no fomba handraisantsika ireo fampianaran’i Jesoa ireo ?

Fanontanina mazava no apetrak’i Jesoa hoe ny jamba ve afaka mitarika jamba ? Tsia avy hatrany ny valiny. Aoka isika hazava, ho marina eo amin’ny fiainana sy izay rehetra atao. Hamarino ny toetra sy ny zavatra ho lazaina na aseho vao aseho na ihany koa hamarino tsara ny zavatra iray vao ekena na arahina na tanterahina. Any amin’ny fiainantsika ankehitriny any dia tena betsaka tokoa ny jamba mitarika jamba. Jamban’ny fitiavan-tena, fitiavam-bola aman-karena, fitiavam-boninahitra sy izao fahafinaretana rehetra izao. Mazàna anefa isika koa jamban’ireny dia toy ny kofehy manara-panjaitra fotsiny. Tsy maintsy any an-kady ihany no hiafarana mba tsy hitenenana hoe any amin’ny fahaverezana na ny afobe.

Fanontanina faharoa hoe ahoana no analanao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao nefa ny sakamandimby amin’ny masonao tsy hitanao ? Toetra tsotra sy manavanana antsika ny mitsara sy mahita ary mitsikera ny tsy mety ataon’ny hafa na dia kely sy bitika aza fa ny toetra ratsy ataontsika anefa goavana noho izany fa tsy hitantsika. Misy havanana mitsikera kanefa vao tenenina kely fotsiny dia tsy mahatanty. Hitantsika tsara indraindray ny tsy mety eo amin’olona iray ary haintsika tsara hoe atao an’izao io na atao an’izao, koa nahoana no tsy hitantsika ny hanaovana ny tenantsika ? Mialohan’ny hitsikeranao ny hafa dia ny tenanao aloha jerena, ny tenanao aloha tsikeraina dia avy eo ianao vao miteny. Miantso antsika handini-tena mandrakariva ity ohatra tenenin’i Jesoa ity mialohan’ny hitsikerana na hitenenana ny hafa. Raiso ho fandinihana ho antsika ilay tenin’i Jesoa tamin’ilay vehivavy azo nijangajanga hoe izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany dia ho hitantsika tsara ny hitsikerana ny hafa sy hitondrana ny fiainantsika. Zava-dehibe ny fahaizana mandini-tena ary manitsy ny tenanao hifanaraka amin’izany mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava ianao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...