Alakamisy 10 septambra 2020 — Herinandro faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 27-38 — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mitohy ny fampianaran’i Jesoa omaly. Ireo olona marobe manodidina azy no ampianariny fa tantarain’i Lioka amin’ny sarin-teny izany. Eto manko dia somary sarin-teny no ampiasain’i Jesoa toy ny hoe tsy mpino na mpanota mibebaka izany. Tsy hevitra miady na zavatra ampitahaina manko ny fampianarany eto fa olona no resahana sy ahitsy ary hitoriany teny dia mampiasa tenim-pahendrena izy mba hahatonga saina an’ireo ary izany no manasongadina an’i Lioka amin’ny fandaharany teny amin’ny fanoratana.

Izay mankahala anareo, miteny ratsy anareo, mikapoka anareo, maka ny akanjonao… zava-misy avokoa no resahany ato ary olona no manao azy. Ireny anefa no hiantsoany antsika hanehoantsika ny tena fitiavana : tiavo izy ireny, manaova soa azy, mivavaha ho azy, omeo izy, hirario soa izy. Toetra mahomby sady tonga dia mivantana no omen’i Jesoa antsika eto. Mazana tokoa manko isika no manontany tena hoe inona no tokony ataoko satria aho dia tena mivavaka ary mahatandrina an’izao sy izao nefa ireo indraindray tsy vitantsika. Misy any amin’ny haino aman-jery na seraseram-pifandraisana any izy dia havanana ery na hiteny maneho hevitra na hitsikera na hanao an’itsy sy iroa fa rehefa tena manoloana ilay olona tokoa tsy hita izay ataony. Terre à terre io fampianara’i Jesoa io ka aiza ho aiza isika manolona an’izany ?

Izay tsy tianao atao amin’ny tenanao aza atao amin’ny hafa na ny mifanohitra amin’izay : sarotra ny mipetraka amin’ny toeran’ny hafa kanefa indraindray dia ny hafa no mamaritra ny maha ianao anao. Iangavian’i Jesoa ary isika eto hitia ary hitia mihoatra. Tsy fitiavana safobemantsina fotsiny fa mandeha isan’ambaratongany araka ny zava-misy manodidina anao noho ireo namanao na mpiara-monina aminao. Mitaky fitiavana mihoatra ary tsy voafetra izany mitia ny fahavalo izany, izany mivavaka ho an’ny mpankahala izany, izany mamindra fo amin’olona diso taminao izany. Izany no tena mitia : meteza ary isika hitia tahaka an’Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana endriky ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny fa izany no ahafahantsika miaina sy manatanteraka io fampianaran’i Jesoa io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...