Na dia liana ihany aza i Line Bordas rehefa tonga teny Ambinany, amin'ireto olona marobe mifanaretsaka miatrika ny famaranana ny Sambatra, dia niangavy mafy tamin'izy telo mianadahy izy mba haterina hody, rehefa avy nifamaly tamin'i Noro i Sambivelona ka nanao farateny taminy.

Zoma 07 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoran'i Masindahy Marka 6, 14-29 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin'ny Fahamarinanao aho.

Lasan'ny polisy i Sedra naman-dry Ravaka fa tratra nivarotra rongony. Noraràn'i Dina i Ravaka tsy hiaraka amin'i Sanda intsony. Norahonan'i Sanda nefa i Dina sy Ravaka fa hovonoiny i Ravaka sy izay sahy miaraka aminy ankoatra azy.

Manentana ireo mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny fahasalamana ny Papa François mba hanome lanja ny asany, ka hifikitra amin'ny "eny" ho an'ny aina. Nankahery ireo vesaran'ny aretina izy hitoky amin'i Jesoa-Kristy, famindram-po sy fankaherezana. Nivoitra ireo ao amin'ny hafatry ny Papa François ho an'ny fankalazana ny andro eran-tany faha-28 ho an'ny marary, ankalazaina ny 11 febroary 2020.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...