Alatsinainy 8 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 53-56

Ry kristianina havana. Eto amin’ity Evanjely ity, voalaza mazava hoe tonga any Genezareta i Jesoa sy ny mpianany : toerana niantsonan’izy ireo io taorian’ilay onjan-drano nampisamboaravoara ny sambo nandehanan’ny mpianatra ka nahitany an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina. Hatreto dia azo ambara fa rehefa miaraka amin’i Jesoa dia tsy maintsy tafita na inona na inona fahasarotana. Tsipihiko mazava eto ilay hoe : tsy maintsy fa tsy hoe tokony ho tafita na hoe mety ho tafita na hoe angamba ho tafita. Azo ambara koa hatreto fa tsy voafaritra ho an’ny toerana iray i Jesoa, na ho an’ny vondrona iray, na ho an’ny fianakaviana iray. Izany no antony hitetezany tanàna sy vohitra maro. Tsara koa angamba ny hiheverana ny Fiangonana tsy ho toy ny fananan’olon-tokana na vondron’olona araka izany.

Eto dia ambaran’i Masindahy Marka fa izay rehetra nanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza dia sitrana. Ho antsika mianakavy ankehitriny dia tsy hoe manendry fotsiny fa tena mihinana Azy mihitsy ary mialohan’ny hihinanantsika Azy dia miteny hoe : “Tompo ô, tsy mendrika ny hidiranao ato amiko aho fa manonona teny iray dia ho sitrana ny fanahiko”. Fa, ny tsy maintsy hitovizantsika amin’ireo tao Genezareta eto dia ny faniriana lalina te handray Azy ary ny finoana Azy.

Ry havana, aoka àry tsy ho finoana amin’ny saina fotsiny ny finoantsika an’i Jesoa fa ho finoana amin’ny aina. Io no tiana hambara amin’ny hoe faniriana lalina ao am-po hikasika Azy sy hokasihiny.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...