Zanaka tantsaha, nilofo tamin’ny fambolena sy fiompiana, naneho safidy matotra ka mifototra amin’ny lalam-pihariana ronono ho foto-pivelomana Andriamatoa Razafindrainibe Mbolatiana Lucien. Tanora mpandraharaha mamokatra ronono amin’ny alalan’ireo omby vavy be ronono ao amin’ny toeram-piompiana ao kaominin’i Soavina distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Namerina ny fanasana an’i Papa François hamangy an’i CROATIE ny lehiben’ny governemanta croate Andrej PLENKOVIC.

Nifamotoana tao amin’ny katedralin’i Masindahy Jozefa any ABOU DHABI, tamin’ny alarobia teo, ny ankohonampiainana katôlika any amin’io firenena io.

Tonga nampahery an'i Sedra tany am-ponja i Dina sy nanome vola fanampiana azy, ary nitaona azy mba hiverina amin'Andriamanitra. Nanao asa tselika miasa amin'ny hotely iray i Dina sy Ravaka fa tsy afaka mandefa vola ho azy ireo intsony ireo ray aman-dreniny. Notafihin'i Sanda sy ireo namany tao izy ireo ary dia lasany avokoa ny vola rehetra tao.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...