Niharan'ny lozam-piarakodia izy efatra mianadahy : Ravaka, Ranja, Sanda, ary Sedra. Tapa-tongotra sy tànana i Sedra. Maty i Sanda. Very rà betsaka i Ravaka ka afaka ny zaza tao an-kibony. Velona soa aman-tsara izy saingy mbola marefo. Teo am-bavahoanan'ny fahafatesana kosa i Ranja no nampibebahan'i Dina.

Alahady 09 febroary 2020 — Alahady fahadimy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan'ny fiainana.

Niova tanteraka i Ravaka, nisaraka tamin'ireo naman-dratsiny, eny fa na dia efa nitoe-jaza tamin'i Sanda aza izy, ary vonona ny hitaiza ny zanany. I Sanda kosa vao mainka manohy ny asa ratsiny hatrany, raha efa niova ihany koa i Sedra, ary te hanaraka ny làlan'i Dina.

Namaramparana ny fivahiniany eto Madagasikara i Line Bordas. Nametraka fahatsiarovana ho an'ilay rahavaviny kambana aminy izay hitany ihany izy. Fifankahitana  azo lazaina hoe niserana tao anatin'ny indray mipi-maso monja ihany, ary fifankahitana nitondrana fangirifiriana tsy hay fafana eo amin'ny androm-piainany manontolo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...