Mitondra ny anjara birikiny ho fanampiana an'i Chine amin'ny fiatrehana ny valanaretina entin'ny Coronavirus ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina.

"Hay kay ny fitondran'Andriamanitra ny fiainantsika ity, dia arakaraka izay manendrika antsika. Ny voloko kosa ve izao dia hitovy amin'ny volon'i Rossy, izaho efa sola."

Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby ray tsy satry i Dina amin'ny fitaizana sy fanabeazana an'i Ravaka anabaviny, izay miara-mivarilavo amin'ireo tovolahy namany ratsy fitondran-tena. Hianatra aty Antananarivo no nandefasan'ireo ray aman-dreniny azy mianadahy. Nivily làlana nefa i Ravaka, raha ny nifanohitra tanteraka amin'izany kosa no nataon'i Dina.

« Hasambarana sy hafaliana ho antsika rehetra ! », izay ny firariantsoa omen'i Frera Dieudonné Stéphane, sdb, misionera any Guatemala, amin'izao fanombohan'ny taona 2020. "Manantena aho fa tsara fanombohana ho anareo rehetra ity taona ity". Zarainy amintsika eto àry ireo zava-nitranga mahafinaritra niainan'izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...