♦ Fanavaozana : Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy ny antoandro teo ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tanora. Nifandimby nitondra ny hetahetany ireo tanora vitsivitsy nisolontena ny isam-paritra.... ♦ Tsy ampy hitsaràna ny fitondràna ho tsy mankany amin'ny fanavaozana ny dimy volana, hoy ny tanora mpanao pôlitika Nambinina Raherimampianina... ♦ Misokatra amin'ny olon-drehetra manomboka izao ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Monkey-Pox. Mbola latsaky ny 10.000 ny olona vita vaksiny, tato anatin'ny iray volana... ♦ Mitady izay fomba hampiatoana mandritry ny 20 taona ny fandaharan'asa nokleary iraniana i Etazonia, ankehitriny...
Ny Spoken Word dia azo adika malala hoe " Teny Lazaina" (mot parlé), iray amin'ny zava-kanto vita amin'ny teny ; miseho amina endrika fanehoana lahatsoratra amin'ny teny, izany hoe tononina na ventesina ho am-bava. Tsy lahatsoratra tsotra ny Spoken Word fa manakaiky kokoa ny "poezia", tsy praozy. Ny Spoken Word dia ventesina amin'ny feo mafy sy mazàna mora raisina ary amin'ny fomba mirehidrehitra (emphatique/plein amphase). Tany Etazonia, ny hetsika "Beat" sy ireo mpanakanto amerikanina mainty hoditra no nampiasa ny teny hoe "Spoken Word" ho an'ny teknikana pôezia ventesina amina feo avo sy mirehidrehitra miaraka amin'ny mozika...
♦ Tanora 4 eo anivon'ny Gen Z, anisan'ireo nanao fihetsiketsehana ny herinandro teo no nisy nisambotra. Tazomina eny amin'ny sampana heloka bevavan'ny Polisim-pirenena Anosy ny sasany amin'izy ireo, nanomboka omaly... ♦ Tsy mankasitraka ny fandravàna ny andrim-panjakàna ny Antenimieram-pirenena tamin'ny lahateny teny Tsimbazaza omaly. Ara-dalàna ny fitondram-panjakàna ankehitriny hoy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Angovo ary ny Akoran'afo, omaly. Efa tonga ny sambo mpitondra solika ho an'i Madagasikara...
Manamafy ny fifandraisana ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny soa iombonana dia fitambaran'ireo fepetra ara-tsôsialy, ahazoan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra moramora kokoa ny fahalavorariany tanteraka sy manasoa ny olombelona rehetra. Tsy voatery ho zavatra mivaingana azo tsapain-tanana ny soa iombonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco