• Henjehina avokoa manomboka izao ireo “trondro vaventy” ka nanao fanaparam-pahefana naka harem-pirenena, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany... • Hodinihina ny tolo-kevitra hanafoanana ilay hetra momba ny fiara sy ny moto, anatin'ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, androany. Niteraka resabe ny momba io hetra io... • Niakatra 20 % ny tahan'ireo ankizy mamerin-taona teny anivon'ny sekoly ambaratonga fototra, tato anatin'ny telo taona farany, araka ny sampan-draharaha mpandrindra ny sehatry ny fanabeazana, na ny CELCO...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...