Adidy tsy maintsy atao ny fanabeazana ny tanora ho afaka hananany fahamatorana. Misy zavatra roa mety hanimba ny fiainan'ny olona tsy ho afaka hisafidy ny tsara ary adidy ny miady amin'izany dia : ny fahantrana lalina ary ny famitahana ny tanora amin'ny fampiahantàna azy be loatra. Ny Fanjakàna sy ny fikambanana isan-karazany no filamatra amin'ny fampivoarana ny Tanora... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Tanora roa hafa indray no nosamborina, noho ilay fihatsiketsehana ny herinandro teo, raha ny tatitry ny Collectif de Mouvement Gen Z, androany... • Toy ny lany olomanga i Madagasikara tamin'ny nanendrena PDS hitantana an'Antananarivo, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasan'ny Kaominina. Naneho ny heviny tamin'ny mpanao gazety, izy ireo... • Mandray anjara amin'ny fivoriana lehibe isan-taona karakarain'ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena any Washington i Madagasikara. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola...
♦ Tsy mankasitraka ny fitakiana ataon'ny sokajin'olona sasany handravana ny andrim-panjakàna sasany eto amin'ny Firenena ny Solombavambahoakan'i Faratsiho Ramilison Nomenjanahary. Hiteraka krisy hafa ankoatry ny efa misy ankehitriny izany hoy izy... ♦ Miandrandra fihaonana amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ireo Ben'ny Tanàna eto Madagasikara. Fihaonana tsy misy ifandraisana amin'ny rivotra pôlitika misy ankehitriny... ♦ Natomboka omaly ny tetik'asa D-CLIC. Tetik'asa fanofanana tanora amin'ny sehatry ny nomerika. Nisantarana ary nanombohana ôfisialy azy ny CFP eny Ampasampito...
Ny olombelona dia tsy afaka miaina tsy misy fitiavana. Ao amin'ny fitiavana no miorina ny finoana, izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fifampiresahana, ny fifanankalozan-kevitra dia fototra mampanjary ny fifanakaikezana am-po ; mila mitandrina ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa ny rivotra entin'ny teknôlôjia ankehitriny dia mahavita manozongozona ny fifampitokisana sy ny fifandraisan'ny fianakaviana. Ao anatin'ny teny dia misy hasina, tsara kokoa raha tso-drano am-bava no hafafy toy izay ozona... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco