Tononina izy amin'ny lamesa andavanandro, na amin'ireny lamesa tsotsotra ireny, na amin'ny fanompoam-pivavahana tsy misy lamesa. Misy "formule" fampiasa ao amin'ny boky fanaovana lamesa "Missel" izay ny mpitarika no manomboka azy hoe " Manaraka ny didy nomen'ny Mpamonjy isika, ary nampianarin'Andriamanitra ka sahy manao hoe" dia miaraka manonona ny "Rainay..."... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Alahady faha-2 mandavantaona — A — I Kristy no zanak’Andriamanitra velona : Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Tsy misy ny tena fahalalana an'i Kristy raha tsy misy ny Fanahy Masina, ity farany no tetezana mamifandray antsika olombelona amin'i Jesoa. Ny nanaovan'i Jesoa sorona ny tenany dia ny nanafahany nanala ny fahotan'izao tontolo izao, ary manongana ny fahefan'ny fahotana mihitsy...

Ny "appendicite" (aretina) dia tsy mety levonina fa tsaboina na didiana hiala teo amin'ny toerany rehefa re marary. Ny "appendice" dia taova madinika iray ao anatin'ny taovam-pandevonan-kanina, izy io dia mety hirefy 3cm hatramin'ny 60cm. Ny asan'io "appendice" io dia mitahiry ireo bakteria tsara sy ilain'ny tsinay. Ny toerana misy azy dia eo anelanelan'ny tsinaikely sy ny tsinaibe, manampy ny tsinay hanao ny asany indrindra amin'ny famoahana maloto... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Mahazo vahana ankehitriny ny fitakiana ny hisian'ny lalana mazava hizoran'ny firenena. Mitaky tondro-zotra momba ny fanavaozana tian-katao eto Madagasikara ny tanora nandray anjara tamin'ny tolona. Mitaky ny handravàna ny andrim-panjakàna misy eto amin'ny firenena ihany koa ny mpanao pôlitika... ♦ Tsy eken'ny Fikambanana MIG-21 (Mijoro ho an'i Madagasikara) tsara ny roa noh ny iray ny hampiantranoana ireo vahiny mpifindra monina kasain'ny amerikana hampidirina eto Madagasikara... ♦ Nahazo fitaovam-pamokarana hanohanana azy ireo amin'ny famokarana manaja tontolo iainana avy amin'ny fitondrana ireo tantsaha ao Bas-Mangoky, Faritra Atsimo-Andrefana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...