♦ Fotoana lehibe ampahafantarana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon'ny filoham-panjakàna ao amin'ny COI afaka 3 herinandro hoy Andriamatoa Ramamonjisoa Régis... ♦ Manohana ny fampandehanana ny tetik'asa Fitrandrahana Fasi-Mainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ireo ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina miisa 4 iantefan'ny tetik'asa. Miandry ny fanombohan'ny asa izy ireo... ♦ Manohana ny tantsaha amin'ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly. Mbola mitohy ny fiofanana arahan'izy 24 mianadahy, mifaninana ho lasa mpandraharaha...

♦Dinihina mandritry ny 10 andro mahery ny momba ny FEC sy ny FRD, famatsiam-bolan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara. Mandalo eto Madagasikara ny iraky ny FMI tarihan'i Constant Lokeng Ngouana...  ♦ 2 avrily andro natokana ho an'ny zandary : Nomarihana tamin'ny fanomezam-boninahitra ireo manamboninahitra nahavita be teo anivon'ny zandary saingy efa lasa nisotro ronono ny andro omaly... ♦ Mirona amin'ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao hanaovana ny serasera ho an'ny fizahan-tany ny Ofisim-Pirenena ho an'ny Fizahan-tany na ny ONTM...

03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.

3 avrily 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...