• Nametra-pialana ny Tale Jeneralin'ny CNAPS, Vimbina Rahaingonjaotovo. Tontosa androany maraina teny Ampefiloha, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny solontena avy amin'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampanana asa ary ny Asam-panjakana... • Mitaky ny hanoloana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny sendika Triade. Mbola mitohy ny antsojay sy ny sakantsakana samihafa, tsy ahafahana miroso amin'ny fanavaozana, hoy izy ireo... • Tsy hametraka trano fialofana ho an'ireo traboina vokatry ny tondra-drano ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin'ity fotoam-pahavaratra ity, ho fampiharana ny fiarovana ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina nendran-drajako...

• Nietry hatrany ny harin-karena teto Madagasikara nanomboka ny taona 1972, araka ny fampirantiana an-tsary karakarain'ny FTHM Consulting. Isan'ny antony nahatonga izany ny tetezamita izay tena lava tokoa... • Nanome toky, fa hanatanteraka fifidianana hidirana any amin'ny Repoblika fahadimy, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Michaël Randrianirina... • Miseho sahady ny endri-panararaotana ataon'ny mpivarotra ny arovava sy orona, izay isan'ny sakana ara-pahasalamana tsy hiparitahan'ny areti-mifindra MPOX...

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny faritra avaratry ny nosy, ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina sy ny delegasiona miaraka aminy. Marolafy ireo fandaharam-potoanany amin'izany... • Nodimandry i Houssene Abdallah. Andraikitra maro teto amin'ny firenena no efa notanany, toy ny naha mpikamban'ny CENI azy, Minisitra ary Solombavam-bahoaka... • Vonona hanome tohana ireo mpianatra afaka Bakalorea, tsy tafiditra eny amin'ny oniversitem-panjakana, ny sekoly ambony ESDES. Misy ny fidirana andiany faharoa...

• Navotsotra rehefa avy notanana herinandro teny Fiadanana, Andriamatoa Alain Andriamiseza. Nahiahiana ho nitarika fanakorontanana saika notanterahana omaly 5 janoary izy. Fiahiahiana nolaviny marindrano... • Tsy tokony hisy fitanilana, hoy ny Solombavam-bahoaka Pety Rakotoniana, ny ady atao amin'ny tsy maty manota. Mila miantoka ny fitoniana eto amin'ny firenena ny fanjakana, hoy ity depiote ity... • Mila tohizina amin'ity taona ity ny dingana vita tamin'ny fampiroboroboana ny fizahan-tany teto Madagasikara tamin'ny taon-dasa. Tokony hajaina ny lalana sy ny fenitra misy, hoy ireo mpisehatra amin'ny fizahan-tany sy ny mpikarakara mpizaha tany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...