♦ Notokanana sy notsofon-drano, androany, ny clinique Medicale Flamboyant sy ny Lycée katolika vao nahorina ao Mampikony, Diôsezin'i Port Berger. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa no nanehoana izany... ♦ Maro ny olana momba ny fitanterana tsy voavaha ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Tokony foanana ny kôperativa mpitatitra fa orinasa matihanina no mpanao ny asa hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Tsy mijery fotsiny ireo toerana ahitàna fiarabe manao fanotofana tany ao Antananarivo sy ny manodidina ny tompon'andraikitra mbola mihatra ny fampiharana ny didy...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...