• Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...

  • Raha atao indray mijery dia hita fa manao fandaniana fa tsy miheritreritra ny hampiasa vola na hampidi-bola anatin'ny fitondram-panjakàna ny mpitondra, anatin'ilay volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine...
  • Tafakatra 1 miliara Ariary ny fanodikodinam-bola nitranga tany amin'ny Faritra Asimo-Atsinanana nahakasika ny resakaa tsena-baro-panjakàna nitranga teo anelanelan'ny taona 2020 hatramin'ny taona 2022...
  • Any amin'ny 2.000 km miala amin'ny morontsirak'i Madagasikara any amin'ny ranomasimbe Indiana no misy ny foiben'ilay rivo-doza BHEKI, tsy mbola misy fiatraikany amin'ny toetry ny andro eto amin'ny nosy izy io...

  • Niakatra 10% ny tahan'ny fahatongavan'ny mpizahan-tany teto Madagasikara tamin'ity taona 2024 ity raha oharina tamin'ny taona 2023 hoy ny teo anivon'ny ôfisim-pirenena momba ny fizahantany ONTM...
  • Vondron-tobim-pileovan'ny zandarimariam-pirenena Menabe : Ramatoa iray sy ny vadiny no tratra niaraka taminà rongony milanja 300kg, tao anaty gony miisa 15 omaly alahady...
  • Gilles Hugon no hitantana vonjimaika ny ekipam-pirenena Malagasy mandritra ny lalao fahaenina farany hifanandrinany amin'ny Comores, mandritra ny fifanaitsanana amin'ny CAN atao any Maroc anio alina amin'y 8ora any an-toerana...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 10, 9-18

Avy amin’ny toriteny ny finoana, ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.

Ry kristianina havana,
raha manaiky amin’ny vavanao ianao
fa i Jesoa no Tompo,
sy mino amin’ny fonao
fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona,
dia ho voavonjy ianao.
Satria ny finoana amin’ny fo
no ahazoana fahamarinana;
ary ny fanekena amin’ny vava
no ahazoana famonjena,
araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:

“Izay mino Azy tsy mba ho menatra.”

Tsy misy hafa na Jody na Jentily,
satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra,
manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo
no hovonjena.
Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana?
Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re?
Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory?
Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina?
araka ny voasoratra hoe:

“Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!”

Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely,
araka ny tenin’i Izaia hoe:

“Tompo ô, iza no nino ny teny notorìnay?”

Koa avy amin’ny toriteny ny finoana;
ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.
Fa hoy izaho:

“Sao dia tsy nandre izy ireo?”

Tsy izany akory:
lasa nanerana ny tany rehetra ny feony,
ary tonga hatramin’ny fara vazan-tany ny teniny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny soratra ataony no tsinjo eran-tany

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra,
ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’andro manaraka;
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany;
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina.
Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 18-22

Nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany,
nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa,
ary nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i André rahalahiny,
nanarato teo amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:

“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo.”

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy
niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...