• Tanterahina eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny andiany faha-8 amin'ny tsenaben'ny fizahan-tany sy ny andiany voalohany amin'ny tsenaben'ny asa-tanana manomboka rahampitsy ary aharitra 3 andro...
  • Tafakatra 96% ny tahan'ny fanaovam-baksiy ny zaza nandritra ny hetsika faobe niisa 6 notanterahina teto Madagasikara tamin'ity taona ity...
  • Nampatsiahy ireo dingana tsy maintsy hajaina mifandraika amin'ny fandefasana hiran'ny mpanakanto mandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao ny sendikan'ny kanto "SYKA"...
  • Tsy afaka handresy an'i Russie amin'izao ady izao i Ukraine raha hampitsahatra ny fanampiana ara-tafika sy ara-bola ho azy ireo ny Amerikanina hoy Volodymyr Zelensky...

  • Nampitandrina sahady ny kandidà hambarany fa nandika ny fepetra napetraka tamin'ireo toerana voarara tsy azo hanovana fampielezan-kevitra ny prefet an'Antananarivo...
  • Kihon-dalana lehibe ho an'ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fifidianana ben'ny tanàna ka eo am-pelantanan'ny vahoaka ny fahefana hiova sy hanova hoy ny filoha teo aloha Hery Rajoanarimampianina... T
  • ontosa teny amin'ny Centell Antanimena ny atrik'asa fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fizahan-tany mahakasika ny fandrafetana ny taratasy ho an'ny politika ankapoben'ny fizahan-tany eto Madagasikara..

  • Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, hatao amin'ny 11 desambra 2024. Dia be mamakivaky tanàna no saika nisantarana izany androany...
  • Miantso ireo Solombavam-bahoaka sy Loholona, handinika tsara ny votoatin'ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ny firaisamonim-pirenena, izay vao handany izany. Iankinan'ny fiainam-pirenena mantsy izy io, hoy ny hetsika Rohy...
  • Nitrangana doro tanety tao amin'ny faritry ny seranam-piaramanidina tety Ivato. Voafehy ny afo ary efa miverina amin'ny laoniny ny sidina tao aorian'ny famonoan'ny tompon'andraikitra ny izany...

Ilaina ny fanisana biôlôjika ho an'ny ala vao fantarina na tiana ho tantanina hamantarana ny toetran'ilay ala, tsy maintsy misy solontena avy amin'ny fanjakana miatrika eo, misy koa fanisana hanaovana fikarohana biby vaovao mbola tsy fantatra. Tany amin'ny taona 1905 no nisy fanisana biôlôjika voalohany izay teto Madagasikara. Inona no maha zava-dehibe ny fanisana biolojika? Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...