♦ Ankizy sy tanora maherin'ny 15.000 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika hatao any Antsiranana ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Nanolotra ny Fandaharan'asa Ankapoben'ny Governemanta teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza ny Praiminisitra Ntsay Christian, androany... ♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana ny Solombavam-bahoka mpanohitra. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fanoloran'ny Praiminisitra ny PGE androany...

♦ Mpikambana avy amin'ny AFAFI/FET miisa 7.198 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika sy ny Fihaonambe Nasiônaly, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Miisa 15.000 kosa ireo mpizaika avy amin'ny Diôsezy isan-tsokajiny, ho tonga hanatrika ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Feno 25 taona katroka ny Diôsezin'Ambositra. Ankalazaina amin'ny fomba manetriketrika izany, nanomboka androany... ♦ Nanavao ny antsony ny Papa François tamin'ny famaranana ny Audience générale tao amin'ny Efitrano Paul VI, tamin'ny alarobia teo...

Miroborobo etsy sy eroa ankehitriny ilay karazana fampiofanana atrehan'ny olona maro na ny " formation de masse". Tsy voafaritra mazava anefa ny fepetra maha fampiofanana azy,indrindra fa ny lasi-panofanana.

♦ Namotsipotsitra ireo olana iainan'ny vahoaka amin'ny andavanandro ny Filoha Tokely Justin, nandritra ny kabary fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Plastika avokoa ny 10%-ny fako 18.985 taonina isan-taona eto Madagasikara... ♦ Miditra amin'ny andro faharoa ny zaikabe ho an'ny Fikambanan'ny Vadi-miaramila, na ny FIVAMI. Vadi-miaramila miray hina, miara-mientana ho an'ny fampandrosoana, io no teny enti-manentana amin'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...