Vakiteny voalohany

Bokin’i Siraka (Eklesiastika 5, 1-10)

Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo.

Aza miankina amin’ny harenao, ary aza manao hoe:

“Manan-karena ampy aho!”

Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao,
mba hanafa-po ny fanirian’ny fonao ary aza manao hoe:

“Zovy moa no Tompoko?”

Fa tsy maintsy hosazin’ny Tompo ianao.
Aza manao hoe:

“Efa nanota, ka inona izao no nanjò ahy?”

Fa mahari-po ny Tompo.
Aza dia afaka ahiahy ny amin’ny fanonerana, ka manampy ota ny ota.
Aza manao hoe:

“Be famindram-po Andriamanitra, ka hamela ny heloka marobe.”

Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana;
ary mianjera amin’ny mpanota ny fahavinirany.
Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo,
ary aza mangataka andro isan’andro izao, fa hipoaka tampoka ny hatezeran’ny Tompo,
ka ho levona ianao amin’ny andro hamaliany.
Aza miankina amin’izay harena azo tsy an-drariny,
fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin’ny andro mahory.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony mahomby avokoa.

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)

Aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy;
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao;
tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.
Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.
Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony?
Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...