Vakiteny voalohany
Bokin’i Siràka (Eklesiastika 6, 5-17)
Tsy misy soa hoatra ny sakaiza mahatoky.
Ny teny mora, mahamaro sakaiza, ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana.
Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao,
nefa iray monja amin’arivo no ilao hevitra.
Raha te-hahazo sakaiza ianao, fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy,
fa aza malaky matoky azy foana.
Satria misy sakaiza manao an’androny, fa hihataka izy amin’ny andro mahory anao;
misy sakaiza ho tonga fahavalo, ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra.
Misy, sakaiza raha hiara-komana aminao,
fa tsy haharitra ho izany intsony amin’ny andro hahory anao.
Amin’ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao, ka hiresaka mora foana amin’ny ankohonanao.
Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy, ary hiery anao.
Halavito ny fahavalonao, ary mitandrema tena amin’ny sakaizanao.
Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery, ka nahita rakitra izay nahita azy.
Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky; tsy misy vato-mizana azo andanjana ny vidiny.
Ody aina ny sakaiza mahatoky; izay matahotra ny Tompo no mahazo azy.
Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina,
satria manahaka azy ny sakaizany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 118, 12 sy 16. 18 sy 27. 34 sy 35
Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho, ry Tompo.
Hisaorana anie Ianao, ry Tompo!
Ampianaro ahy ny fitsipikao!
Ny fitsipikao no firavoako;
ny teninao no fitadidiko!
Alao tampina ny masoko
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho,
mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho:
fa io no hafinaretako.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)
Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’olombelona sarahina.
Tamin’izany andro izany:
Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany;
ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.
Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:
“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”
Ary izao no navaliny azy ireo:
“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”
Dia hoy Izy:
“Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.”
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny,
ary ho nofo iray izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.”
Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany,
ka hoy Izy taminy:
“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa,
dia mijangajanga.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.