I Masindahy Timothée sy Tite no tsaroana ny 26 janoary. I Masindahy Timothée dia teraka tao Lystre, Jiosy nandray ny finoana kristianina ny reniny fa ny rainy dia Grika mpanompo sampy. I Tite indray dia avy amin'ny fianakaviana andriana sy mpanjaka tao Crète.
Ny vavaka ao amin'ny Soratra Masina no isan'ireo vavaka tsara indrindra. Ny vavaka dia tena tolona. Ny vavaka niain'ireo olom-bofidin'Andriamanitra dia afahana manaporofo fa ny vavaka dia tolona, indrindra rehefa manoloana ireo sedra maro samihafa... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Alahady faha-3 mandavantaona — D : Ny tenin’Andriamanitra manampy antsika hifanotrona toy ny fanirin’akondro ; Nirahin’ny Tompo hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho ary hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra. Mipetraka ny fanontaniana hoe manao ahoana ny fankafizantsika ny tenin'Andriamanitra ; teny lina nihaino an'Andriamanitra ny Jody tafaverina avy any an-tsesitany, afaka alahelo izy ireo ary sambatra. Ny tenin'Andriamanitra dia tsy boky fotsiny fa fomba sy olona izany hoe i Jesoa Kristy. Ny olombelona, ny Kristianina dia ratsam-batan'i Kristy ka samy manana ny anjara toerany avy, anefa iray noho ny maha iray ny fanahy izay nanaovana batemy antsika...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco