16 aprily — I Benoît-Joseph Labre dia teraka, tao Amettes tanana kely tao Artois, ny 26 marsa 1748. Izy moa dia maty Tao Roma ny 16 aprily 1783. Lahimatoa amin'ny zaza 15 nateraky ny ray aman-dreniny i Benoît-Joseph.
Mba ho tena ho tanteraka tokoa ny didim-pitiavana dia eo mandrakariva ny Fanahy Masina izay mitoetra amin'ny olona rehetra izay nandray ny Batemy. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : ahoana izany ireo izay tsy vita Batemy na koa mbola tsy mahalala an'Andriamanitra mihitsy? valiny hoe : fa izay tsy mahalala kosa na nanao zavatra mendri-pamaizana aza dia hokapohina kelikely ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Mampihena hatrany amin'ny 5 isan-jaton'ny PIB an'i Madagasikara, ny vola lany amin'ny voka-dratsin'ny loza voajanahary eto Madagasikara... • Hangatahana fiaraha-miasa amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Fokontany Behoririka, mba hisorohana ny loza niteraka faharatrana tahaka ny niseho androany teny an-toerana... • Hivoaka amin'ny 29 avrily izao ny didim-pitsarana ho an'ny Filohan'ny Sendika SIS FM...
♦ Tsy hita taratra indray ny fitsaharan'ny ady hevitra pôlitika amin'izao Herinandro Masina izao. Miezaka mamaly ny fanoherana hatrany ireo mpomba ny fitondràna, tato ho ato... ♦ Miomana sahady amin'ny vanim-potoanan'ny main-tany eto Antananarivo ny eo anivon'ny Ministeran'ny rano. Hitondra fanazavàna momba ireo fiomanana efa atao ny Ministra... ♦ Nampisahotaka ny mponin'i Ilanivato omaly hariva ny tranga nisy teny an-toerana. Lehilahy iray non voatifitry ny Pôlisy, saingy nahatezitra ny mponina, izay tafavory maro poatoizay... ♦ Nanoso-kevitra vaovao hisian'ny fifanarahana fampitsaharana ny ady ao amin'ny faritra Gaza, amin'ny Hamas ny fitondrana Israelianina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco