Izay vao tena nifarana ny taom-pianarana 2024-2025 tao aorian’ny fivoahan’ny voka-panadinana Bakalorea. Rehefa avy niaina tebiteby, tahotra sy fitaintainana ireo tanora Malagasy dia afaka mitony sy maka bahana amin’izay, amin’ny fijerena sy ny fibanjinana ny ho avy. Tsy hihanona amin’ny fibitabitahana fotsiny hoe “Bacc en poche”. Fa aorian’ny fanadinana Bakalorea ohatran’izao mantsy no mamaritra ny ho avy arak’asan’ny tanora iray sy ny fiainana rehetra any aoriana.

Raha ny voka-panadinana Bakalorea tamin’ity taom-pianarana ity no asiana jery todika, dia hita fa manomboka maka ny toerana sy hironan’ny tanora kokoa ny taranja siantifika. Tsara ny vokatra ho an’ireo nisafidy ity sokajy ity raha ny voka-panadinana farany teo no jerena. Raha nahatsapa tena fa efa niady sy nanao ny ezaka hatafita ny zanany amin’ny fahazoana ireo karazana mari-pahaizana tany amin’ireo sekoly ambany ny ray aman-dreny, dia aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana Bakalorea no tena ady mafy ho azy ireo. Tsy afaka ny hakahaka aina mantsy, ary eo vao mamorona ny tsy misy sy mitady ny fomba rehetra ahafahan’ny zanaka manohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Tsy misy angamba ray aman-dreny haniry ny tsy hatafita ny zanany, indrindra ho an’ny fianarana. Manamarina izany ilay oha-pitenena hoe: “Ny fianarana no lova tsara indrindra”. Oha-pitenena mbola mitombona mandraka ankehitriny ary tsy azo lavina satria ny olona nianatra sy manam-pahaizana, na inona sedra amin’ny fiainana, dia tsy very mandeha izany.

Mila mahay manapa-kevitra amin’izay manomboka eto ny tanora afaka Bakalorea satria iankinan’ny ho avy ny safidy amin’ny lalam-piofanana tiana hatao. Mila mahay manapa-kevitra ihany koa amin’ireo karazana sekoly ambony ianarana na miankina amin’ny fanjakana izany na tsia, mba tsy ho very vola sy fotoana fotsiny. Tsy azo lavina ary fahita eny anivon’ny fiaraha-monina mantsy ny hoe efa nandany taona maro teny amin’ny anjerimanontolo nefa tsy mahatody hatramin’ny farany. Andaniny ireo milaza fa tsy tiana indray ilay lalam-piofanana, ankilany ireo tsy nahafantatra akory ny tena votoatin’ny fampianarana fa rehefa hironan’ny tanora maro dia roboka ihany koa, eo ireo manandrankandrana fotsiny. Vola very, fotoana very, hatanorana very avokoa anefa izany ary mahataraiky amin’ny fidirana amin’ny tontolo arak’asa.

Aorian’ny fivoahan’ny voka-panadinana tahaka izao ihany koa dia maro be ireo fikambanana mikarakara hetsika etsy sy eroa hampahafantarana ireo karazana sekoly ambony na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo karazana lalam-piofanana sy ny asa mifandraika amin’izany. Mila mitandrina ihany koa anefa ny tanora amin’ny karazana hetsika tahaka ireny. Tsy tokony ho adinoina fa dokam-barotra no ataon’ny mpikarakara ary fitadiavam-bola toy ny fitadiavam-bola rehetra ihany. Zavatra kely tokony ho fantatry ny tanora hanohy fianarana ambony ny momba ny sekoly sy ny mari-pahaizana omeny. Mijoro ara-panjakana daholo ve ireny? Ary azo hidirana amin’ny sehatr’asa ve aoriana ny mari-pahaizana azo, ny ora hianarana? Mifandraika tokoa amin’ny lalam-piofanana misy ve ireo taranja atao? Mifandraika amin’ny tolotra omena ve ny saram-pianarana takiana sy ny fitaovam-pianarana sa fanararaotana hitadiavam-bola fotsiny ihany?

Tsy ny zaza Malagasy rehetra mantsy no afaka hiditra amin’ireny sekoly ambony miankina amin’ny Fanjakana ireny. Tsy azo afenina fa hiaraha mahita toy ny vay an-kandrina ihany koa ny olana sedrain’ireo tanora mianatra eny anivon’ireny sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana ireny. Olana mpiseho matetika ny fahatapahan’ny fampianarana ary ny fisian’ny taona fotsy mihitsy aza. Anton’izany ohatra ny fitokonana isan-karazany na avy amin’ny mpampianatra izany na avy amin’ny mpianatra na noho ny foto-drafitr’asa. Misy fiantraikany amin’ny fahataran’ny fampianarana daholo izany. Misy mihitsy ireo tara aman-taonany vitsy ny fahavitan’ny fianarana noho ireo karazan’olana ireo. Tsy azo hiadian-kevitra fa fitaovana tsara hananana eo amin’ny fiainana ny fananana diplaoma tsy ho hambakain’ny hafa, tsy hanamaro isa ireo tanora hiasa amin’ny orinasa hafak’aba na ireny karazana “call center” ireny. Tanora mamokatra sy mamorona fandraharahana ho azy manokana, tsy ho vesatry ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina, indrindra ho an’ny firenena, no tokony ho maro an’isa eto amintsika. Isika rahateo fantatra fa firenena hanjakan’ny tanora.

Aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana Bakalorea tahaka izao ihany koa dia misy amin’ireo tanora no misafidy ny haka aina kely aloha, milaza fa vizaka ka hiala sasatra aman-taonany, misy ireo misafidy ny andeha hitady vola, hanangona aloha. Mila mitandrina sy mahay mandanjalanja ihany anefa satria rehefa maka aina ny saina dia harafesina hoy ny fomba fitenin’ny tanora azy izay. Rehefa zatra mandray vola ihany koa ny tanana dia ho sahirana handray stylo sy kahie, ka dia ho sarotra no miala amin’izany ary mety tsy hazoto intsony ny hanohy fianarana. Hamehezana an’ireo voalaza rehetra ireo dia tsara ny mianatra ary miankina amin’io ny hananana ho avy mamiratra. Mila mahay mandanjalanja fa Ramalina aza hono mifehy hazo tokana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...