18 aprily — I Masindahy Parfait dia ilay pretra martiry tao Cordoue tany Espagne. Fiangonana iray nantsoina hoe Saint-Ascicle, tao amin'ny tananan'i Cordoue tany Andalousie no notantanan'i Parfait.
Ny Eglizy dia vahoakan'Andriamanitra, milaza ny fiombonana ara-panahy sy miharihary efa iainany sy tsy maintsy iainany mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Fanekem-pihavanana ny Eglizy satria teraka tamin'ny fanekem-pihavanana vaovao izay naorin'i Kristy tamin'ny rany teo amin'ny hazofijaliana. Ny Eglizy dia Misiônera na Iraka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
♦ Nosazian'ny Fitsaràna ireo olona telo voasambotra nandritra ny lanonana fametrahana samboady ireo ben'ny tanàna any amin'ny Distrikan'i Vatomandry. Anisan'izany ny mpiara-miasa amin'ny Solombavambahoaka Sophie Ratsiraka... ♦ Mandrisika ny hitakiana ireo "Îles éparses" ho an'i Madagasikara amin'ny fahatongavan'ny filoha Frantsay eto ny antoko V.H.T. Izany no tokony atao raha tena tia tanindrazana ny filoham-pirenena Malagasy, hoy ny mpitarika ity antoko ity... ♦ Hiparitaka ny mpitandro filaminana, mandritra izao fiatrehana ny Herinandro Masina izao sy ho fiomanana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco